- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohibao : Tokatrano voatafika tamin’ny « bigboss », lasa ny sivy hetsy...

Ambohibao : Tokatrano voatafika tamin’ny « bigboss », lasa ny sivy hetsy ariary

Mirongatra tanteraka ny fanafihana mitam-piadiana indray amin’izao. Tetsy Antanetibe Antehiroka, tokatrano iray no voatafika ny andian-jiolahy mirongo fiadiana sy ny manao saro-tava, ny alin’ny alatsinainy hifoha talata lasa teo. Nanararaotra ireo tompon-trano mbola renoky ny tory izy ireo ka niditra an-tsokotsoko tao amin’io tokantrano io, rehefa nanapitsoka ny varavarana. Taitra tampoka tanaty torimaso ireo tompon-trano rehefa nahita ireo telolahy misaro-tava, miaraka amin’ny « bigboss » sy zava-maranitra teo am-povoan-trano. Nandrahona avy hatrany iretsy voalohany moa ireto andian-jiolahy mba hamoaka ireo vola rehetra tao an-trano. Tsy afa-nanohatra vokatr’izany izy ireo ary nanaiky hatramin’ny farany izay nolazain’ireo mpanafika. Vola aman’hetsiny maro, niaraka tamin’ny firavaka sarobidy no lasa tamin’io fotoana io. Rehefa azon’izy ireo kosa izay nilainy dia nitsoaka izy ireo, ary taorian’izay vao afaka niantso vonjy ireo voatafika. Efa eny am-pelan-tanan’ny zandary misahana iny faritra iny moa ny raharaha amin’izao fotoana izao.

Fa ankoatr’izay dia fantatra ihany koa fa nisy fanendahana, niafara tamin’ny rà nandriaka tetsy Antanetibe Itaosy, ny harivan’ny talata teo. Olona iray no voatifitr’ireo jiolahy tamin’izay fotoana izay. Raha ny zava-nisy, araka ny fanazavàna azo avy amin’ny zandary dia olona tsy manan-tsiny, izay nikoropaka nahita ny fanendahana nihatra tamina olon-kafa no lasibatra teto. Rangahy 70 taona teo izy, voan’ny bala teo amin’ny lohany. Naratra mafy vokatr’izay ary mbola miady amin’ny fahafatesana hatreto, raha ny fanazavàna azo omaly hariva. Ny zava-nitranga : tompona « cash point » handeha hody no efa notilian’ny andian-jiolahy. Fantatr’ireo farany avy hatrany fa misy volabe any aminy. Nanararaotra ny haizina nanomboka nirotsaka ireto olon-dratsy, tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany tany ho any, tamin’ny fanaovana ny asa ratsiny. Nambanany tamin’ny basy ilay mpandraharaha ary lasa ny volabe mitentina eo amin’ny sivy tapitrisa ariary teo ho eo tany aminy. Tamin’io fotoana io anefa no nahatsikaritra ny zava-niseho ilay rangahy lehibe, izay nikoropaka sy ny niantso vonjy. Tsy nisalasala nitifitra ity farany ireo jiolahy tamin’izany, no sady nanao tari-dositra niala teo amin’ilay toerana. Efa mandeha moa ny fanadiahadiana sy ny fikarohana ireo olon-dratsy hoy ny filazan’ny zandary.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici