Ketraka sady variana ny tompon’ny trano iray eny amin’ny faritra Ambohibao satria dia misy mibodo ny tranon’izy ireo. Tonga taty amin’ny gazety ry zareo nampita ny vaovao, afaka nampiseho ny taratasy rehetra ny maha azy an’io trano io. Nalaina tamin’ny faha-17 septambra 2014 teo ity porofo ity, ( certificat de situation juridique). Omaly hariva, na dia efa lasa aza ireo nampiasa ny trano sy ny “parking”, nisy olon’ny làlana, mpiaro ireo teo aloha, hoy izy ireo, nilaza taminy fa ao izy ireo no mipetraka. Vao mainka gaga ny tompon’ny trano fa toa hoe lasa amin’ny anarana karàna ny tranony. “Zavatra tsy mitombina velively izany, hoy hatrany ry zareo. Efa nandalo teny amin’ny fitsarana ny raharaha. Raha hiverenanana izay niseho omaly hariva, na dia efa niala aza ireo teo aloha, nisy fiara tonga nitondra olona valo lahy ary nisy teny avy ao anatiny fa jeneraly ny iray. Dia niditra amboletra tao amin’ilay toerana. Natory ao ry zareo, omaly alina, na dia efa nilaza aza ny mpiambina fa tsy azo idirana ny tanàna.
r.s.