Tonga nanatanteraka didim-pitsarana ny vaditany nanala vaditany iray nipetraka tamina Trano nofainy teny Ambohibao Antehiroka omaly. Araka ny fanazavana avy amin’ny tompontrano, dia tsy nandoha hofan-trano efa hatramin’ny taona 2018 io vaditany io. « Mahatratra 100 tapitrisa ariary mahery ny hofatrano tsy voalohany. Niakatra fitsarana ny raharaha nanomboka io taona Io », hoy ny fanazavana avy amin’ny mpikarakara ny antota-taratasin’ady. Nanofa ilay « villa » ilay vaditany ka ts nandoha hofan-trano mihitsy, izay tsy fantatra mazava ny antony. 8 taona teo tsy nandoha izany izy na teo aza ny raharaham-pitsarana. Naharitra ela rahateo ny ady teny amin’ny fitsarana. Ny taona 2021 no nivoaka ny didim-pitsarana nanala io vaditany io tamin’ilay « villa ». Tsy tratra antso anefa izy ka taty amin’ny volana aogositra 2022 vao nanao taratasy fangatahana fanemorana ny fialany tao amin’ny trano. Nisy ny fifanarahana sy fanaovana sonia teo anoloan’ny zandary Ambohibao. Tsy tanteraka mihitsy izany ary indimy nangataka fanemorana fialana hatrany. Vokatr’izany, nisy ny fangatahana fampiharana didy teny amin’ny fitsarana ka nilatsaka ny fampiharana didy tsy azo ivalozana avy amin’ny mpampanoa lalana. Natao omaly ny famoahana ny entan’ny vaditany. Tsy afaka nanohitra intsony izy io nanoloana ny didy. Navoaka avokoa ny entana rehetra teo anoloan’ny vaditany. Nilamina ny toe-draharaha na tsy nisy mpitandro filaminana aza teny an-toerana. Voalaza fa anisan’ny mampanano sarotra ny asan’ny vaditany ny tsy fahazoan’izy ireo mpitandro filaminana indraindray, rehefa manatanteraka didy. Mitaraina ihany izy ireo manoloana izany.
Yv Sam
Mpivaro-drano tratran’ny orana ity ranamana ity. Tena voa mafy kosa ny tompo-trano:valo taona be izao.Ny lany teny amin’ny fitsarana izao manginy fotsiny.