Miasa anaty tambajotra ireo olon-dratsy. Misy mody manao vazaha mihitsy aza, vazaha mpividy volamena izay tsy azo raha tsy an-telefaonina. “Misy olona milaza fa manana volamena ka hoe manana mpanjifa teratany vahiny any Nosy be hell ville. Mody milaza ho tsy mahay miteny vahiny izy ka ianao no asainy miresaka amin’io olona io. Rehefa miresaka amin’ny alalan’ny finday ianao dia milaza io mody vazaha io fa handefa olona hizaha ilay volamena (test) ka miangavy anao izy mba anaovanao izay hitazomana ireo olona ireo. Rehefa afaka fotoana fohy dia tonga tokoa ireo olona lazainy fa ‘testeur’ ary mody manao ilay fizahana arak any tokony hoizy. Milaza izy ireo avy eo fa tena raitra ilay volamena fa aleo tsy ho lazaina amin’ilay vazaha fa hijerevana mpividy hafa dia hangalana tombony, ary omena an’izy ireo fotsiny ny vodiondrim-barotra (avance) ka eo indrindra ianao no asainy mandoa vola” raha araka ny fanazavana sy fampitandremana nataon’ny zandary mba tsy hahavoa ny olon-kafa. “Rehefa azon’izy ireo ny vola dia tsy hita intsony izy ireo” raha araka ny loharanom-baovao mitovy hatrany. Misy farany anefa ny ratsy rehetra ary rehefa mbola nisy voasoloky hatrany ka nametraka fitoriana dia natao ny fikarohana sy ny velam-pandrika rehetra. Voasambotra ny olona roa izay mbola nahitàna ireo vovoka varahina izay fototry ny fisolokiana. Tratra niaraka tamin’ireo koa ny fitaovana to any mizana kely sy ny hafa.
D.R