- Publicité -
dimanche, septembre 14, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohibary : Nanamarina ny fokonolona fa namono olona

Ambohibary : Nanamarina ny fokonolona fa namono olona

Lasa fahazarana tanteraka ny fitsaram-bahoaka. Tsy miafina intsony aza ny olona tompon’antoka fa sahy mijoro vavolombelona ary manasonia taratasy manamarina ny heloka bevava izay natao. Toa izay nitranga tao amin’ny fokontany Ambohimasina, ao anatin’ny kaominina ambanivohitra Ambohibary. Nanao taratasy fanamarinana ny solon-tenam-pokonolona ary nohazavain’izy ireo tao ny famonoana ny olona iray sy ny antony amin’ny ambangovangony. « Novonoin’ny fokonolona izy satria nisy zavatra tsy nety nataony (…) tratra teto izy dia izay no antony namonoana azy » raha araka ny hita tao anatin’ny taratasy, izay taratasy fanamarinana famonoana olona izany raha tena zohina. Izany dia nosoniavin’ireo solontenam-pokonolona teo imason’ny zandarimaria ary misy fitombokasen’io lehiben’io vondron’ny mpitandro ny filaminana io aza etsy ambany. Nanaitra ny sain’ny maro ny zava-nisy ary nahatonga ny fametraham-panontaniana hoe tena efa eken’ny tany tan-dalàna ve izany ny fitsaram-bahoaka ? Sahy mijoro ho vavolombelona ny olona ankehitriny hoe nanatontosa heloka bevava ary dia ny mpitandro ny filaminana mihitsy no hametrahany ny taratasy manamarina an’izany. Raha mitory izany ny havan’ny maty manoloana ny zava-nitranga dia mazava hoazy fa raisim-potsiny avokoa izay mety ho tompon’antoka. Saingy eto amintsika dia sarotra ny tahotra sao koa mainka mandrangitra ny besinimaro izany dia avelavela fotsiny amin’izao ny zava-nisy izay lasa fanao satria ny olona izany dia mahatsapa fa tsy enjehin’ny lalàna ny fitsaram-bahoaka.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

4 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici