Fiara telo no indray voaroba tamin’ny RN7, teo anelanelan’Antananarivo sy Antsirabe, ny alin’ny talata telo. Tokony ho tamin’ny folo ora alina no nosakanan’ireo andian-jiolahy ny taxi-brousse iray izay avy aty Andrenivohitra, ka saika hihazo an’i Faratsiho. Lasa avokoa ny entana maro sy ny firavaka isan-karazany. Voadaroka ary naratra mafy ny mpamily. Tao anatin’izay rehetra izany dia nisy kamiao iray ihany koa sendra nandalo. Toa ny mana latsaka avy any an-danitra ny fahitan’ireo olon-dratsy azy, ka nosakanana avy hatrany. Dia niharan’ny fanafihana ihany koa. Voadaroka ny tao anatiny ary noraofina avokoa izay mety ho azo nobataina tao, isan’izany ny vola. Dia mbola nisy fiara fahatelo, kamiao koa, taorian’izay isan’ny voatafika. Tsy mbola voafaritra hatreto ny tentin’ny vola sy ny entana lasa tamin’ity fanafihana misesy tao anatin’ny fotoana saika nitovy ity. Tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana, saingy efa adiny roa taty aoriana. Sady lavitra mantsy ny làlana no tara ihany koa vao tratra antso izy ireo. Nezahina natao ny fijirihina izay mety ho lalan’ireo olon-dratsy ,saingy nandamoka izany. Ny olana aza dia rehefa namarinina koa ny momba ireo kamiao roa voatafika dia fantatra fa hay tsy ara-dalàna ny entana notaterin’izy ireo. Nitondra hazo tsy nisy taratasy koa. Voatery nitazona azy ireo indray ny zandary ary nanokatra fanadihadiana hafa ankoatra ny…fanafihana. Etsy andanin’izany dia isan’ny mamamarika indray ity tranga ity fa, miverina indray ny fanafihana amin’ny lalam-pirenena fahafito. Efa nisy fotoana izany nijanona tanteraka, satria nasiana barazy na nasiana mpitandro filaminana tao anatin’ny fiara izay mivezivezy amin’ny alina. Tsy naharitra ela anefa izany fepetra izany ary izao miverina manomboka manao ny asany izao indray ny olon-dratsy mpanakan-dàlana…
D.R