Tranga mateti-piseho eto amin’ny faritra Vakinankaratra ity filatsaham-baratra ity. Isan-taona dia saika maro ireo maty nilatsaham-potaka raha eto Antsirabe sy ny manodidina no resahina.
Mpiray tampoho roa lahy no indray maty nilatsaham-potaka tao amin’ny kaominina Ambohibary fokontany AnkenihenyIII ny faran’ny herinandro lasa teo. Fantatra fa avy nianatra izy roa lahy, efa tao an-trano tokony ho tamin’ny 12 ora sy sasany tany ho any no nirefotra ny varatra ka niantefa tao amin’ny trano fonenan’izy ireto. Ny iray teo andavangarana ny iray kosa tao amin’ny tohatra no nifandimbiasan’ny varatra notetezina. Tsy nisy azo natao intsony fa maty tsy tra drano izy roa laha, maina fotsy hatsatra tanteraka raha ny filazan’ny loharanom-baovao maripotitra avy any an-toerana. Kilasy famaranana samy sokajy D no misy azy roa lahy namoy ny ainy ireto, 19 taona ny iray raha to aka 17 taona kosa ny iray.
Voalaza fa nisy olona ankoatra azy roa lahy tao amin’ilay trano saingy izy roa kosa no izao namoy ny ainy izao fa ny hafa tsy nisy naninona.
Tsy vao sambany no nisy tranga tahaka izao ao amin’ny kaominina Ambohibary fa vao iray volana izay no nisy mpampianatra efatra indray nilatsaham-potaka tao avaratra Ambihibary ka ny iray maty, ny telo kosa avotra rehefa namonjy toeram-pitsaboana.
Andry N.