- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohibe Ilafy : Notsatohany antsy ilay olona mba nananatra azy

Ambohibe Ilafy : Notsatohany antsy ilay olona mba nananatra azy

Tanana efa zatra nitsotra ? Tovolahy iray no voatery nosamborina ary natolotra ny zandary teny amin’iny faritra Ambohibe Ilafy iny. Fandratrana olona sy fikasàna hamono, ireo no vesatra nanenjehana ity tovolahy ity, rehefa notsatohiny tamin’ny antsy ny lehilahy iray teo an-tananany. Ny zava-nisy. Ny alahady atoandro teo no nitranga ity fandratrana olona ity teo Ambohibe Ilafy. Raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso dia hoe niaraka nilalao karatra teo ihany izy rehetra ireo. Na ilay lasibatra na ilay nikasa hamono. Nisy fotoana anefa, talohan’ny nitrangan’ny tsy nampoizina dia tafa-teny ratsy ilay tovolahy, izay nony antony tsy fantatra. Niezaka nananatra azy tamin’izany fomba ratsiny izany ny lehilahy iray niaraka nilalao taminy. Nanomboka teo ny fifamaliana sy ny fiakaram-peo. Nahagaga dia toa efa nisy antsy vonona tany amin’ity ranamana niteny ratsy ary mailaka toy ny tsy teo dia naharay izany izy ary nanindrona izany tsy tam-pisalasalàna teny amin’ilay rangahy niteny azy. Voa teo amin’ny lamosiny ity farany. Nandriaka ny rà. Ilay zalahy nanindrona azy antsy kosa nitsoaka toy ny teo ary nifanenjehana eraky ny tanana. Tsy ela moa dia voasambotra ihany ary natolotra avy hatrany ny zandary. Araka ny fanazavàna azo avy amin’ireto farany dia hoe mpinamana ihany izy ireo saingy nisy ny zavatra tsy nifanarahana ka io niafara tamin’ny tsindron’antsy io. Efa nahazo fitsaboana sahaza azy moa ilay naratra ary tsy hatahorana ny ainy, hoy hatrany ny fanazavàna satria tsy nahakasika taova saro-pady ilay zava-maranitra. Ilay tovoalahy kosa notanana avy hatrany ao amin’ny biraon’ny zandary natao fanadihadiana ary atolotra ny Fampanoavana amin’ny fotoana mahamety izany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici