Efa tena azo lazaiana fa biby noho ny biby ny olombelona ankehitriny. Nitrangana fanolanana zazavavy kely tao amin’ny Tanana Ananalazana, fokontany Ambolomadinika, kaominina ambanivohitry Ambohibe, ao amin’ny distrikan’i Vavatenina ny talata teo. Zazavavy enin-taona ity naolana rangahy be iray ity, ka araka ny fanazavana dia notambazany tamin’ny akondro iray ilay zazavavy kely ary raha nanatona azy dia norahonany ka nanaovany ny filana ara-nofony. Tsy fantatry ny ray aman-dreniny izany fa andro vitsivitsy taorian’izany dia ilay fofona somary maimbo nivoaka avy amin’ny fivavian’ilay zazavavy kely no nanaitra ny ray amn-dreniny. Nentin’izy ireo teny amin’ny mpitsabo ilay zazavavy kely, ary teo nahalalany fa voaolana ny zanany ary efa simba tanteraka ny vatany vokatra izany. Teo vao nitantara ilay zazavavy kely fa ny tahotrany ho vonoin’ilay rangahy nanolana azy no tsy nilazany ny zava-nanjo azo na narary taminy aza izany voaolana izany. Avy hatrany moa dia nandray ny anjara asany ireo mpitandron’ny filaminana nikaroka ity mpanimba zazavavy kely ao Vavatenina ity, ka manaraka ny fakana am-bavany azy ilay rangahy mpanolana amin’izao. Ilay zazavavy kely kosa dia nambarany mpitsabo tamin’ny ray aman-dreniny fa tokony ho tsaboina eto Toamasina ny tenany, mba ahazo ny fitsaboana sahaza azy.
Malala Didier