Nirefodrefotra ny basy omaly tokony ho tamin’ny valo ora maraina tany ho any, tetsy Ambohidahy Ankadindramamy. Nitrangana fanafihana mitam-piadiana indray mantsy an-toerana. Irony fanakalozana vola amin’ny finday na « cash point » hoy ny fitenintsika mahazatra no lasibatra teo. Vokany, vola iray sakaosy, izay mbola tsy voafaritra hatreto no lasan’ireo olon-dratsy. Olona iray kosa no naratra tao anatin’izany. Roa lahy ireo mpanafika araka ny angom-baovao azo ; izay nitondra basy poleta sy zava-maranitra. Ankevitry ny efa nandrasana sy notilian’ireo olon-dratsy ela ity olona mpitana ilay « cash point » ity. Tamin’io fotoana io mantsy, araka ny fanazavana avy amin’ny polisy, dia mbola tsy nisokatra akory ilay toerana. « Vao an-dalam-pisokafana mihitsy izy io no tonga ireo olon-dratsy, nandrahoana ilay tompon’ny tsena ». Mety ho tsy nanaiky nilefitra moramora foana ity farany ka dia nodarohan’ireo mpanafika ary nosintonin’izy ireo avy hatrany ny sakaosy nisy ny vola tokony hampiasaina tao amin’ilay « cash point ». Raha ny angom-baovao hatrany sy ny filazan’ireo teny an-toerana dia sady nitsoaka ireo olon-dratsy ireto nony azony izay nilainy, no mbola nanapoaka basy, izay inoana fa nentina nampitahorana ireo mpiantsena vao maraina, tsy hanaraka azy ireo na hanenjika. Marihana mantsy, fa efa be olona tokoa iny toerana iny amin’izany ora izany. Fotoana fohy taty aoriana moa no tonga teny an-toerana ireo polisy avy etsy amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo, misahana iny faritra iny. Niezaka ihany nanao savahao ny manodidina saingy efa nafenin’ireo elakelan-trano marobe ireo olon-dratsy. Efa eny am-pelan-tanan’ireo farany moa ny raharaha ary efa mandeha ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo mpanafika.
m.L