- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohidahy – Ankadindramamy : Efadahy nirongo basy nandroba olona avy nivarotra, lasa...

Ambohidahy – Ankadindramamy : Efadahy nirongo basy nandroba olona avy nivarotra, lasa ny 5 tapitrisa Ar

Omaly tokony ho tany amin’ny 4 ora tany ho any, lasibatry ny jiolahy miisa efatra samy nitondra PA ny mpivaro-damba avy eny Andravoahangy handeha hody eny Ambohidahy Ankadindramamy. Very tamin’izany ny vola 5 tapitrisa ariary. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa efa nandrasan’ireo jiolahy teo amin’ny vavahadin’ny tranony ireo mpivarotra ireo.Vao nigadona niaraka tamin’ny fiara dia voambana basy. Ny vola no notakian’ireo mpandroba. Teo anatrehan’izany, tsy afaka nanao na inona na inona ireo olona fa hany hery, nanome ny vola. Vao nahazo izany ny olon-dratsy dia lasa nihazo ny elakelan-trano marobe eny an-toerana ary dia tsy hita izay nalehany.

Isan’andro dia andrenesana fandrobana sy fanafihan-jiolahy eto an-drenivohitra. Ankoatra izany, eo koa ny halatra maro isan-karazany. Tato ho ato dia lasibatra indray ny moto mijanona eny ivelan’ny trano. Herinandro maromaro lasa izay, novelesin’ireo olon-dratsy ny mpiambina dia nentiny ny moto. Vao afak’omaly, lasan’ireo mpangalatra koa ny moto iray teny an-tokotany mifefy sy misy tamboho. Ny nahavariana tamin’ity, navelan-dry zalahy teny amin’ny arabe fotsiny ilay izy avy eo.  Ny sinto-mahery isan-karazany tsy lazaina intsony. Maro dia maro ny efa tratran’ny polisy ary ampidirina am-ponja. Vao mivoaka anefa ry zalahy dia ireny fa mamerin-keloka indray.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici