Hatairana ny an’ireo mponina teny amin’iny faritra Ambohidahy Ankadindramamy iny, omaly maraina. Lehilahy iray, efa tsy nisy aina intsony no nitsingevana tao anaty rano, nihohoka teo amin’ny tanimbary iray teo an-toerana. Mponina eny amin’iny faritra iny ihany ity lehilahy ity, raha ny filazan’ireo nanatri-maso ary efa ny alin’ny alahady teo, nandritry iny ora-nikija teto an-drenivohitra sy ny manodidina iny, ireo fianakaviany no nitady azy. Nampandrenesina teo no ho eo ihany moa ireo tomopn’andraikitra isan-tsokajiny niaraka tamin’ny mpitandro filaminana.
Nisy namono sa dobo an-drano ? Nakarina an-tanety avy hatrany moa ny razana taorian’izay ary notsirihan’ireo tompon’andraikitra. Voalaza fa tsy nisy naratra na mangana teny aminy. Mbola teny aminy daholo ihany koa ny fitafiany sy ireo zavatra hafa. Raha ny vinavina dia azo heverina fa mety ho lasan’ny rano nandritry ny oram-be iny ity farany, izay hoe mety nianjera tao anaty tatatra ary navalan’ny rano ho eny an-tanimbary nony avy eo. Tsy vao izao tokoa mantsy no nisy toe-javatra tahaka izany nitranga, rehefa misy ora-mikija toa ireny teto an-drenivohitra. Miakatra haingana ny rano mahery fitopa, izay tsy voatanan’ireo lakan-drano isan-karazany intsony. Ireto farany, izay maro amin’izy ireo no tsy misarona akory. Na izany na tsy izany aza anefa, tsy azo hiatahana velively ihany koa ny mety ho fisiana vono olona ao anatin’izao, indrindra fa amin’izao fotoana mampirongatra ny tsy fandriampahalemana izao. Antony iray nanokafan’ireo mpitandro filaminana ny fanadihadiana mahakasika izany. Efa nentina nihazo ny tranom-paty moa ny razana taorian’ireo fitsirihana isan-karazany natao.
m.L