- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohidahy Ankadindramamy : Fiara nentin’ny miaramila, nahafaty mpianatra

Ambohidahy Ankadindramamy : Fiara nentin’ny miaramila, nahafaty mpianatra

Namoizana aina indray tetsy amin’ny tsenan’Ambohidahy Ankadindramamy, omaly maraina. Zazalahy kely roa, handeha hianatra no voafaokana fiara tsy mataho-dàlana iray nentin’ny miaramila. Maty tsy tra-drano ny iray, raha naratra mafy kosa ilay namany.

Voatazona natao andrimaso sy hanaovana famotorana eny amin’ny tobim-paritry zandary Antananarivo renivohitra ity miaramila nahavanon-doza ity. Raha ny zava-nisy, tokony ho tamin’ny valo ora latsaka teo, fiara tsy mataho-dàlana iray, avy eo Mahazo, nidina Ambohidahy, hihazo an’Ambohimirary no tapaka hisatra tampoka teo am-pidinana an’Ambohidahy iny. Niezaka ny nanajanona ny fiara ihany ilay miaramila teo amin’ny familiana saingy tsy nety tafajanona izany fiara izay, izay nanohy ny diany nikivalavala. Rindrim-bato teny an-toerana no nanohana azy vao tafajanona ilay izy. Tao anatin’izany anefa no nifaoka ireto ankizilahy kely roalahy, handeha hamonjy ny fianarany teny am-pandehanana izany fiara tapaka hisatra izany. Mafy dia mafy moa ny dona nahazo azy ireo. Nandriaka indray ny rà teny an-toerana namonto iny arabe rarivato iny. Samy naratra mafy vokatr’izay avokoa izy roa ary voatery nentina novonjena nihazo ny toeram-pitsaboana. Araka ny nambaran’ireo misahana ny fanadihadiana dia tsy tana intsony ny ain’ilay zazalahy 5 taona, nony tonga tany amin’ny hôpitaly. Mbola ao anaty fitsaboana kosa ilay namany, hoy hatrany ny fanazavana azo.

Tonga avy hatrany teny an-toerana ireo pôlisy avy etsy amin’ny boriborintany fahatelo, misahana ny fifamoivoizana tetsy Mahazo raha vao nitranga ny loza. Nampandrenesina ihany koa ny zandary avy etsy amin’ny tobim-paritra « Tana Ville », izay nitondra ilay miaramila atao famotorana. Marihana, hoy  ny fanazavàna azo avy amin’ny Kaomandin’izany tobim-paritra izany fa tsy nitsoaka velively, araka ny feo niely sy niparitaka tao anaty tambazotra sosialy ity mpitandro filaminana ity.

Tsiahivina fa taona maromaro lasa izay  no nisiana tranga nitovy tamin’ity niseho omaly ity teny an-toerana. Tamin’izay fotoana izay dia fiarabe tapaka hisatra ihany koa no nifaoka mpiantsena sy mpivarotra maromaro teny amin’iny toerana iny, izay marihana fa be olona sy toerana misy tsena.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici