- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversAmbohidahy Ankadindramamy : Fivarotana voaroba, olona roa voatifitra, jiolahy iray voasambotra

Ambohidahy Ankadindramamy : Fivarotana voaroba, olona roa voatifitra, jiolahy iray voasambotra

tsena-(2)Tamin’ny fotoana nandosirany, nanapoaka basy ny jiolahy ary nandratra olona

Omaly tokony ho tamin’ny 4 ora sy fahefany tany, bandy efatra nitondra basy no tonga nandroba tao amina mpamongady sady mpaninjara iray eny Ambohidahy Ankadindramamy. Nirefodrefotra ny basy tamin’izay fotoana izay. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa, tamin’ny fotoana nandosiran’ireo mpangalatra no nisy izany. Vokany olona roa no niantefan’ny bala. Ny iray lehilahy voa teo amin’ny kibony ary ny faharoa zaza, voa teo amin’ny tananany. Araka ny fantatra dia voalaza fa nanelingelina an’ireto jiolahy tamin’ny fotoana nialany teny an-toerana ilay voa teo amin’ny kibony, ka izany no nitifirany azy. Ny vaovao hatrany no nahalalana fa mpangalatra iray no tratra. Nihazo ny arabe izy io tamin’izy nandositra, hoy ny vaovao voaray teny an-toerana ary dia tratran’ny olona. Hatramin’izao aloha, tsy fantatra marina izay vola voaroba tao fa araka ny vaovao hatrany dia mahatratra an-hetsiny maro izany.

Tamin’ny ora voalaza ery ambony, nibosesika niditra ireo jiolahy. Nambanany basy avy hatrany ny tompon’ny tsena ary nasainy nanome azy ny vola rehetra. Raha vao azony izany dia lasa nandeha ry zalahy. Faritra anisan’ny be mponina Ambohidahy. Raha vao nahafantatra ny rehetra fa nisy io fanafihana io, dia nisahotaka ny iray tanàna. Nisy ireo lasa nanavo-tena, nisy koa anefa ireo liam-baovao hijery ny zava nisy fotsiny. Fotoana mbola maha maro mpanjifa ao amin’io fivarotana io moa no nisehoan’ny fanafihana, ka vao mainka maro dia maro ny olona. Tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana nahitana zandary sy polisy, nizaha ifotony ity fandehan-javatra ity. Efa misokatra ny fanadihadiana ataon’izy ireo.

r.s.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser