- Publicité -
vendredi, juillet 18, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohidahy – Antanimena : Mpanendaka roalahy voasambotra

Ambohidahy – Antanimena : Mpanendaka roalahy voasambotra

mpanendakaSaika isan’andro no andrenesana endaka sy sinto-mahery eto an-drenivohitra. Voakasin’izany avokoa ny faritra rehetra. Ezaka maro no efa vitan’ny polisy hamongorana izany. Tamin’ny faha-13 aprily teo, tetsy Ambohidahy, lehilahy iray no nisy nahita nanokatra fiaran’olona nijanona teo amin’ny “parking” akaikin’ny tonelina. Voalazan’ny vaovao fa saika hangalatra tao anatin’io fiara io ity lehilahy ity. Vao fantany fa nisy nahatsikaritra ny zavatra nataony dia lasa nandositra ny anao lahy. Nihazo an’iny lalana miakatra ho any Ambohitsorohitra iny izy. Raikitra ny fifanenjehana ka tsy lasa lavitra ity bandy ity dia voasambotry ny polisy avy ao amin’ny Faritany Ambohidahy. Tamin’ny famotorana natao azy dia nilaza izy fa efa fanaony ny mangalatra anaty fiara mijanona eny amin’iny toerany iny. Natao ny fisavana azy ka tamin’izany no nahitana finday voavao be tany aminy. Nilaza moa izy fa vao avy nendahany ity telefonina ity.

Teny Antanimena indray, teo amin’ny Vassacos, tratra ihany koa ny lehilahy iray antsoina hoe L. Patrick, 32 taona. Ny loharanom-baovao hatrany no ilazana fa saika henendaka olona telo izy niaraka tamina antsy lava lela. Efa tamin’ny 7 ora sy sasany hariva tamin’izay. Tsy nanaiky anefa ireo nataony lasibatra fa namaly. Nisy nahita izany zavatra izany ka niara-nirohotra ny rehetra namely azy. Soa fa tonga teny an-toerana ny polisy nanakana ny olona tsy hamono azy. Mbola tany aminy ilay antsy lava lela. Araka ny nambarany tamin’ny famotorana dia efa maro ny olona nendahiny teny amin’iny faritra iny.

Omaly no natolotra ny Fampanoavana izy roalahy ireo.

nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser