- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohidahy : Avy niandry faty, voaendaka hatramin'ny môtô

Ambohidahy : Avy niandry faty, voaendaka hatramin’ny môtô

Sady voaendaka no lasa koa ny kodiaran-droa. Izany no nanjo ny lehilahy iray izay avy niandry faty teny Ambohidahy-Ambohimanarina ka an-dàlana namonjy fodiana, tokony ho tamin’ny telo ora sy sasany maraina, ny alahady teo. Roa lahy no nanakana azy teny an-dàlana ary nampiasa hery. Tsy voatohitr’ilay olona ary vetivety monja dia lasa avokoa izay teny aminy ary koa ny fitaovam-pitaterana nampiasainy. Soa fa nanana finiavana ny niantso avy hatrany ny polisy izy ary nitantara izay nahazo azy. « Tonga avy hatrany teny an-toerana ary rehefa avy nihaino ny fanazavana dia nanao ny fanarahan-dia, niezaka ny nitady ireo olon-dratsy. Nandritr’izany dia natao ny fisafoana ny tanàna rehetra ka teo no nifanena tampoka tamin’ireo mpangalatra môtô. Rehefa nahita ireo polisy izy roa lahy dia nitsoaka avy hatrany ka ny iray voasambotra fa ilay nitondra môtô kosa tafaporitsaka », raha araka ny fanazavan’ny polisy misahana ny boriborintany fahaenina izay manana ny biraony eny Ambohimanarina. Ny fahazoana io iray io no nahafahana namantatra ny toerana misy ilay namany. Vao azo ny fanazavana nilaina dia nidina an-tsehatra teny amin’ny toerana voatondro ny mpanao fanadihadiana nisahana ilay raharaha.  » Tra-tehaka tao ilay jiolahy ary mbola hita tao aminy koa ilay môtô halatra. Nandritry ny fanadihadiana azy dia samy niaiky ny heloka vitany izy ireo, lehilahy 25 sy 28 taona », raha ny fanazavan’ny polisy hatrany. Manintona hatrany ny jiolahy ny môtô noho izy mora amidy na koa ravaina dia amidy amin’ny antsinjarany. Mila fadiana ny mandeha amin’ny andro maizina amin’ny toerana maro eto an-drenivohitra rehefa mitaingina azy ireny.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici