- Publicité SW45 -
vendredi, avril 19, 2024
AccueilFaits-DiversAmbohidahy : Jiolahy saika hangalatra fiara voasambotra

Ambohidahy : Jiolahy saika hangalatra fiara voasambotra

Teo am-pangalarana ilay fiara mihitsy ireo telolahy no nandalo ny polisy nanao fisafoana. Raha tsy nanampoahana basy tsy nijanona ny iray, ny roalahy kosa mbola tafaporitsaka. Afak’omaly alina tokony ho tamin’ny 1 ora maraina no nitrangan’izany tetsy Ambohidahy. Fiara mazda nipetraka teo an-tsisin-dalana no saika hangalarina jiolahy miisa telo. Ny iray nisikotra ny varavarana, ary ny roalahy kosa nanosika ny fiara avy ato aoriana. Tamin’izay indrindra anefa no nandalo ny mpitandro filaminana ka nahatratra azy ireo. Nandositra avy hatrany moa ireo jiolahy saingy tsy namelan’ny polisy raha tsy tratra. Nanapoaka basy ireo mpitandro filaminana ka nijanona ny iray, saingy nandositra kosa ny roalahy. Omaly ihany dia natolotra ny fampanoavana ity mpangalatra fiara ity, ary naiditra am-ponja vonjimaika. Tato ho ato dia betsaka ny fitarainana voarain’ny polisy amin’ny resaka halatra fiara, sy halatra anaty fiara, toy ny auto-radio sy ny entana sarobidy samihafa. Ny polisim-pirenena dia manentana hatrany ny rehetra mba hampandre azy ireo avy hatrany raha vao misy zavatra mampiahiahy.

A.R.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser