- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohidahy : Mpiasan’ny minisitera nitsambikinay avy eny amin’ny rihana fahadimy

Ambohidahy : Mpiasan’ny minisitera nitsambikinay avy eny amin’ny rihana fahadimy

Niasa toa ny fanaony andavan’andro ilay rangahy. Omaly dia mbola nanatontosa tanteraka an’izany izy ary tsy nisy marika hakiviana teny amin’ny endriny, raha araka ny fitantaran’ny mpiasa sasany. Tampoka teo anefa, ny tolakandro efa niomana ny hirava iny ny minisitera, no nisaoty tampoka teo amin’ny varavaran-kelin’ny rihana fahadimy izy. Talanjona ny olona raha nahita izany ary samy nihazakazaka nijery azy nianjera tany ambany. Mbola nisy aina kely na dia tsy nihetsika intsony aza. Noezahina notsaboina teo ary notaterina teny amin’ny hopitaly Hjra nony avy eo. Rehefa tonga kelikely tany, raha araka ny fanazavana azo hatrany, dia namoy ny ainy. Naterina tao amin’ny tranom-paty ny vatana mangatsiakany omaly ihany. Tsy nisy nahafantatra izay mety ho anton’ity famoizam-po teo amin’ny toeram-piasàna ity ny olona izay niara-niasa taminy hatreto. Miasa eo anivon’ny minisiteran’ny indostria izy, raha araka ny fanampim-panazavana azo. Nandeha tao amin’ny minisiteran’ny varotra izy, tsy mifanalavitra rahateo ireo, ary dia teo izy no namoy fo. Manambady io rangahy io ary nampandrenesina omaly ihany ny havany, manoloana ny zava-nitranga. Tonga koa ny mpitandro ny filaminana nanokatra fanadihadiana satria aina no nafoy. Loharanom-baovao teo anivon’ny minisitera no nahafantarana fa miandraikitra ny fanaterana dosie etsy sy eroa ity rangahy namoy ny ainy ity. Hatreto izany aloha dia namono tena no fahitàn’ny besinimaro azy. Na izany aza anefa dia tsy maintsy misy hatrany ny fanadihadiana nosokafana, toa ny mahazatra ihany rehefa misy ny olona maty amin’ny toe-javatra toa ireny. Tsy dia fahita firy rahateo izany hoe mpiasam-panjakana mamono tena eo anivon’ny toeram-piasàna izany.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici