Volana vitsivitsy lasa izay no nanombohany ny fanovàna ireo fahazoan-dalana mamily tsotra ho « biometrique ». Tao anatin’izay dimy volana izay, fantatra fa « permis vorotsiloza » niisa teo amin’ny 60 isa teo no sarona tetsy amin’ny Ivon-toerana misahana ny fahazoan-dalana mamily sy ny taratasy firaiketan’ny fiara, etsy Ambohidahy, fantatry ny maro amin’ny amin’ny « Faritany », na ny CIM. « Nasaina ny hanara-dalàna ireo olona tompon’ireto fahazoan-dalana mamily ireo. Izany hoe, ny mba hidirany “auto-école”. Etsy andanin’izay anefa, tsy maintsy natolotra ny fitsaràna izy ireo satria nandika lalàna : ny fampiasana hosoka amin’ny taratasim-panjakana” hoy ny Lehiben’ity ivon-toerana ity, Atoa Charli Hyancithe Rajaonarison. Mbola anefa ny mandehandeha any, ary tsy maintsy ho tratra eto ihany izany, hoy hatrany ny fanazavàna. Raha ny fantatra tokoa mantsy dia saika ireo mpitondra fiara fitanteram-bahoaka eto amintsika no betsaka manana ity karazana “permis vorotsiloza” ity. Tsy mahagaga tokoa araka izany raha maro ireo tsy mahay akory ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana, antony mahatonga ireo loza isan-karazany, hamoizana ain’olona isan-karazany. Amin’izay lafiny izay indrindra, fantatra fa hisy ny fepetra manokana ho raisin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, hanerena ireo mpamily fiara fitateram-bahoaka hanova ny fahazoan-dalana mamily ho “biometrique” avokoa ato ho ato. Tsy ireo “permis” ihany anefa no misy manao hosoka fa hatramin’ny “carte grise”n-ny fiara ihany koa. Fantatra ary fa “carte grise” 30 isa ihany koa no tratra, raha saika ny hamadika izany ho “biometrique” ireo tompony. Samy natolotra ny fitsaràna avokoa moa ireto olona nahatratrana taratasy sandoka ireto. Tsiahivina fa tsy mitsahatra ny miezaka ny manadio tanteraka ity sampan-draharaha voaloton’ireo mpibizina sy mpanera ity ireo tompon’andraikitra. Miara-miasa akaiky amin’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly izy ireo amin’izany, ary indrindra fa ny mpitandro filaminana. Vao ny herinandro lasa teo tokoa mantsy no mpanera sy mpibizina efa-dahy, efa zatra ny lalan-dririnina tamin’ny fisolokiana no voasambotra ary nadoboka any am-ponja. Raha ny mikasika ity “permis biometrique” ity dia fantatra fa efa mahatratra eo amin’ny 17000 eo no voaova. Manana hatramin’ny 31 desambra moa ireo manana izany hanovàna azy eny Ambohidahy.
m.L