- Publicité -
mardi, juin 24, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohidempona : Olona telo maty nianjeran’ny trano

Ambohidempona : Olona telo maty nianjeran’ny trano

Rava-(1)Nihotsaka ilay tany. Trano telo no indray rava. Mpianatra roa sy ankizivavy iray no namoy ny ainy. Indray andro maninjitra no nitadiavana ny razana tototry ny biriky sy ny ranon-tany.

Nikija dia nikija ny orana ny alatsinainy alina lasa teo. Nisasasasa tsy nisy ohatr’izany ny ranobe naterak’izany. Nangina ny tontolo teny amin’iny faritra Ambohidempona iny, ny alina iray manontolo. Samy tsy nisy nanam-po ny loza mahatsiravina nitranga fotoana fohy avy eo ireo mponina, izay samy mbola revo tamin’ny torimasony. Noho ny nafitsoky ny riaka, tsy nahazaka izany intsony ny apen-tany teny an-toerana ka nihotsaka, teo ambonina tokantranona fianakaviana valo, izay mitsinjara amina trano roa. Teo ambonin’ity rindrin-tany, araka ny voalazan’ireo olona teny an-toerana, dia nisy trano hazo iray, izay nisy fianakaviana kely telo mianaka. Mafy dia mafy ny fahavoazana. Olona telo no indray namoy ny ainy : tovolahy mpianatra, vao handeha hiditra eny amin’ny Anjerimanontolo ny roa, ankizivavy kely manodidina ny 13 taona kosa ny iray. Ankizy iray no naratra vokatr’izany fianjeran’ny trano izany, fa avotra soa aman-tsara ireo sisa ambiny.  « Tokony ho tany amin’ny 1 ora maraina tany ho any (omaly) izahay no naheno zavatra nidoboka mafy dia mafy », hoy ny filazan’ny rangahy iray, monina tsy lavitra ny toerana nisian’ny loza. « Avy hatrany izahay dia samy nirohotra nijery ity tranga mampihoron-koditra ity ». Rava tanteraka ny tranon’izy ireo, nifangaro tamin’ny fotaka sy tany. Tototra tao ireo roalahy mpianatra. Tetsy andanin’izay kosa, tsy nahatanty ny riam-potaka ihany koa ilay trano iray teo ambanin’ny nisy azy ireo ka nirodana. Fianakaviana maromaro no mipetraka tao, saingy afaka soa aman-tsara tao avokoa, ankoatra ny ankizivavy kely iray, namoy ny ainy, izay voatery nosikirina tao anaty korotam-by, « beton » sy biriky. Nampandrenesina avy hatrany mpamonjy voina, izay tonga teny an-toerana fotoana vitsy monja. Tamin’ny 5 ora maraina tany no voasikotra tao anatin’ilay trano rava ny vatana mangatsiakan’ilay ankizivavy kely. Nanomboka io maraina vao mangiran-dratsy io, nitohy ny antoandro ny fitadiavana ireo mpianatra roa lahy. Tany amin’ny 11 ora antoandro tany ho any no tsy nanary toky ireo mpamonjy voina nampian’ireo fokonolona teny an-toerana, raha nahita ny fandriana natorian’izy ireo, niaraka tamin’ny findainy, tao ambanin’ireo ranon-tany aman-taonina maro. Omaly efa hariva be kosa, araka ny nambaran’ny mpamonjy voina, vao hita ny vatana mangatsiakan’izy roalahy. Hatreto, mbola misy trano iray tandindomin-doza eo amin’ilay toerana, izay zary lasa hantsana mangotana tanteraka. Araka ny fantatra dia efa nasaina niala tao ireo fianakaviana monina ao amin’ilay trano. Fanintelony izao no nisiana fihotsahan’ny tany teo amin’io toerana io, saingy tamin’ity no namoizana ain’olona, raha ny filazan’ireo mponina teny an-toerana hatrany. Hirarian’izy ireo ny mba hijeren’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy azy ireo sy handraisana fepetra hiarovana ny ainy sy ny fananany. Mbola vao manomboka mantsy ity ny taom-pahavaratra, ho avy ihany koa ny rivo-doza. Ary raha ny tazana teny an-toerana dia toa mitatao loza andro aman’alina ireto mponina ireto.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser