Tovovavy iray, izay mbola vao erotrerony tokoa mantsy no hitan’ireo fokonolona tanaty lobolobo, tsy lavitra ny tanana. Feno mangana ny tarehiny ary somary niborotsaka ny « short jean » nanaovany, izay inoana fa avy niharan’ny filan-dratsin’ireo namono.
Hatarana tsy misy toa izany tokoa ny an’ireo mponina teny amin’iny faritra Ambohidrabiby iny omaly maraina. Ireo mponina niainga maraina teny an-toerana no nahatsikaritra zavatra hafahafa tanaty lobolobo. Toran-kovitra ny rehetra rehefa nahita fa tovovavy mitsirara efa tsymisy aina intsony no hitan’izy ireo, rehefa nojerena akaiky. Nantsoina avy hatrany teo no ho no eo ihany ireo tompon’andraikitra ny filaminana sy ny tanana teny amin’iny faritra iny. Tamin’ny fizahana nataon’ireo mpitsabo, araka ny filazan’ny zandary teny an-toerana no nahafantarana fa naolana ity tovovavy ity ary novonoina tamin’ny fomba feno habibiana nony avy eo. Mety ho ny alin’ny alahady teo no nitrangan’izany, hoy ny fanazavàna. Izay antony ? Tsy fantatra aloha hatreto. Torak’izany ihany koa ireo mpamono.
Araka ny angom-baovao azo teny an-toerana dia tsy mponina eny amin’iny faritra iny ity tovovavy hita faty ity. Tany aminy rahateo, araka ny fanazavàna nomen’ireo mpitandro filaminana hatrany, dia tsy nahitàna tamingana taratasy mety ho nahafantarana azy. Siosion-dresaka no nahenoana fa toa hoe tovovavy mipetraka eny Sabotsy Namehana izy io, saingy tsy mbola voamarina izany, hoy hatrany ireo tompon’andraikitra. Taorian’ny fitiliana nataon’ireo mpitsabo moa dia noezahina nentina tao amin’ny tranom-paty tao amin’ny hôpitaly tao Anosy Avaratra ny razana, sao mba misy havany tonga mijery, saingy noho ny antony tsy fantatra dia tsy noraisin’ireo tompon’andraikitra tao. Hany herin’ireo olona nitondra ny razana, niaraka tamin’ireo mpitandro filaminana dia naverina tany Ambohidrabiby indray izany. Araka izany, miandry izay olona mety mahafantatra na fianakaviany ireo tompon’andraikitry filaminana. Na izany na tsy izany anefa dia efa nosokafana ny fanadihadiana mahakasika ity trangana fanolanana miharo vono olona ity. Tranga tsy dia fahita firy loatra eny an-toerana.
m.L