- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversAmbohidrapeto Itaosy : Tsy nanaiky nisarahana, notsatohany ny antsy ny sipany

Ambohidrapeto Itaosy : Tsy nanaiky nisarahana, notsatohany ny antsy ny sipany

Tovolahy iray fantatra amin’ny anarana hoe Hasina, na Randrianarisoa Setra Hasina, no karohin’ny zandary eny amin’ny tobim-paritra Itaosy fatratra amin’izao fotoana izao, noho ny raharaha famonoana ho faty tovovavy iray, izay sakaizan’ity farany teo aloha.

Ny zava-nisy. Mpisakaiza efa ela izy ireo, ilay namono sy ilay novonoina. Tao anatin’izay fotoana izay anefa dia nitrangan’ny olana maromaro teo amin’ny fiarahan’izy roa ary nitarina tamin’ny fanapahan-kevitr’ilay vehivavy ny hisaraka amin’i Hasina, ary hijanona ho mpinamana. Tsy nanaiky izany hatramin’ny farany anefa ny sain-dranamana.

Ny harivan’ny alarobia teo, tafara-dalana niaraka tamin’ity sipany treo aloha ity sy ny rahavaviny ingahirainy, teo Andramavola, fokontany Ambohidrapeto. Nony kely sisa tsy nahatongavana teo amin’ny tranon-dravehivavy no nangataka hiresaka amin’ity sakaizany teo aloha manokana ingahirainy. Lasa araka izany ilay rahavaviny namela azy roa teo. Zava-doza nampivarahontsana anefa no niseho taorian’izay. Kiaka tokana ary rà mandriaka no nampikoropaka ny olona. Voatsatoka antsy nanandrify ny fony ilay tovovavy ary maty tsy tra-drano. Tsy tazana teo intsony kosa Ingahy Hasina.

Niditra an-tsehatra avy hatrany ny zandary ary nikaroka ity farany. Tany amin’ny tranony teny Ankadimanga no naleha voalohany ary nambenana mihitsy, saingy tsy nipoitra mihitsy ny tovolahy. « Efa nomaniny sy nokasainy hatao mihitsy ny famonoana io tovovavy io, hoy ny zandary ». Nandritra ny fisavana ny efitranony mantsy no nahitàna taratasy nilaza ny zavatra nataony, araka ny angom-baovao hatrany. Io namoahana taratasy fampikarohana io moa ingahirainy. Iangaviana araka izany izay mety mahita azy na mahafantatra ny toerana iafenany mba hampilaza avy ny zandary amin’ny laharana 0341400955.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici