Itony angamba ilay hoe « misekoseko fa manana basy », kanjo dia izao voasambotra izao. Basy tsy ara-dalàna, basy vita gasy ihany koa no nezahina nampihorohorona olona teny amin’iny faritra Ambohidrapeto iny. Nandray andraikitra avy hatrany ny zandary. Tao amin’ny toerana antsoina hoe Ambodipanga/Antanetibe no voasambotra ny lehilahy. Antony, fitazomanana fitaovam-piadiana tsy nahazoana alalàna. Talohan’io fotoana nisamborana azy io tokoa mantsy dia nifamaly taman’olona ny lehilahy, izay efa varimbarin’ny toaka iny ka namoaka basy tany am-balahany ary nanambana ity olona ity. Tsy nanaiky nolembenena ilay lasibatra ka nampiantso avy hatrany ny zandary. Vetivety dia tonga ireto farany ary nisambotra an’ingahirainy. Mbola tratra tany aminy ilay fitaovam-piadiana, izay basy poleta vita gasy, hoy ny vaovao, saingy tsy misy bala. Tsy nihanona teo fotsiny araka izany ireo mpitandro filaminana fa nanohy ny famotorana ary tonga tamin’ny fisavàna ny tranony. Nahitàna bala maromaro sy fahana efa simba tao. Marihana fa tsy mety bala efa tsy mety hampiasaina intsony moa izy ireo, na izany aza dia mbola mampametram-panotaniana no nahazoany izany. Mazava ho azy rahateo fa tsy misy taratasy ara-dalàna avokoa izany. Notanana natao famotorana avy hatrany ity lehilahy ity, nialoha ny hanolorana azy eny anivon’ny Fampanoavana.
m.L