Mpandrafitra manana ny lazany eny amin’iny faritra Ambohidrapeto iny no lasibatry ny jiolahy mirongo basy ny alatsinainy hifoha talata lasa teo. Vola mitentina roa tapitrisa teo ho eo, saika hanaovana varavaram-piangonana eny an-toerana no lasan’ireo olon-dratsy niampy fitaovana sarobidy sy eletrônika maromaro ary finday enina. Nanapoaka basy ireo olon-dratsy alohan’ny hiditra tao amin’ilay tokantrano, kanefa na izany aza dia mba tsy nisy ny naninona tamin’ireo voatafika. Tokony ho tamin’ny misasakalina no tonga tao amin’ity raim-pianakaviana mpandrafitra ity ireo olon-dratsy, miisa fito raha ny fampitam-baovao azo tamin’ny zandary. Mazava ho azy fa samy mbola revo amin’ny torimaso avokoa ireo rehetra tao an-trano. Ny vola no avy hatrany dia notakian’ireto olon-dratsy. Nandà hatramin’ny farany ny fisian’io vola io anefa ilay raim-pianakaviana. Tezitra noho izany ireto mpanafika ka ny zanaka vavin’ity tompon-trano no nalain’izy ireo natao takalon’aina sy nambanana tamin’ny basy. Tsy afa-nanohotra noho izany ity farany ka dia nanome tsy sazoka izay zavatra notakian’ireo jiolahy. Rehefa azon’ireo izay notadiaviny, nampiany an’ireo entana sarobidy tao an-trano dia nitsoaka nandositra ireo mpanafika, namotsotra an’ilay zazavavy. Taorian’izay vao afaka niantso vonjy ireto lasibatry ny fanafihana. Tonga avy hatrany teny an-toerana moa ireo zandary avy etsy Itaosy saingy efa taim-bala sisa no hitan’izy ireo. Natao ihany koa ny savahaon’ny manodidina saingy efa nafenin’ny alina ireo jiolahy. Mbola mitohy hatreto ny fikarohana ireo olon-dratsy, raha ny fanazavàna azo.
m.L