Trano roa no indray voatafika. Tsy nisalasala ireo jiolahy, nitondra basy lava sy PA, nitifitra
Tsy alim-be akory fa manodidina ny tamin’ny valo ora, ny alakamisy teo, dia efa tonga ny jiolahy nanao ny asany. Tokantrano roa karazana no notetezin’ireo. Tsy nisalasala nampiasa ny basy nentiny ireo olon-dratsy. Rangahy iray no voatifitra voalohany, raim-pianakaviana tao amin’ilay tokantrano voalohany izy io. Maty tsy tsa-drano izy io. Tohina loatra ny vehivavy iray tao an-trano raha naheno ny feom-basy sy nahita ilay fahafatesana. Safotra izy ary dia tsy niverina intsony ny fony ka izany no nitarika ny fahafatesany. Tsy nijanona teo ny herisetra nataon’ny mpanafika. Mbola nisy tovolahy iray notifirin’ireo teo amin’ny tongony ihany koa. Tao anatin’izany rehetra izany dia lasan’ny olon-dratsy ny vola tao naty sakaosy voalaza fa vola maty indray andro. Mpivarotra mantsy ireo voatafika voalohany, Tao amin’ny trano faharoa, findain’ny olona tao nalain’ireo jiolahy. Tanàna milamina kanefa feno asan-jiolahy Ambohidrapeto. Mbola ao anatin’ny kaominina Ambanivohitra Itaosy no misy azy ary matetika no itobian’ny olon-dratsy any amin’ilay toerana, noho izy mora hitsoahana. Feno tanimbary sy rano mantsy ny manodidina azy ary mipaika avy hatrany mankany Ambohitrimanjaka raha miampita lakana, ary any Andohatapenaka raha manivaka amin’ny tanimbary. Tsikaritra ho efa misy fiaran’ny mpitandro ny filaminana mba miakatra ihany tsindraindray rehefa alina manao fisafoana eny an-toerana. Tsy ampy intsony izany satria efa be loatra izay rà latsaka teny Ambohidrapeto izay. Mila fepetra matotra kokoa.
D.R