- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohidrapeto : Valo lahy saika hanafika, nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana

Ambohidrapeto : Valo lahy saika hanafika, nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana

Nisesisesy ny fanafihana teny amin’iny faritra Ambohidrapeto iny ny alahady sy ny alatsinainy alina lasa teo. Araka ny loharanom-baovao dia saika tsy tanteraka avokoa izany fanafihana izany noho ny fahatongavan’ny mpitandro filaminana aloha teny an-toerana. Raha ny fantatra hatrany dia miisa eo amin’ny valo lahy eo ireo andian-jiolahy mikasa hanafika, mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika, toy ny basy kalaky. Voalazan’ny mpitandro filaminana teny an-toerana fa ny alahady alina teo no nikasa hanafika mpivaro-damba ny andian’olona miisa eo amin’ny valo teo ho eo. Fihetsika nampiahiahy izay nahatonga ny olona niantso zandary avy hatrany. Nitsoaka avy hatrany izy ireo ary tsy tanteraka ny fanafihana raha vao tonga ireo mpitandro filaminana. Ny alatsinainy alina teo indray dia efa tafiditra tao anaty fivarotana zava-pisotro mihitsy ny bandy valo lahy, mitondra kalaky, no tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana. Nitsoaka avy hatrany indray ireo jiolahy ireo ary velona mihitsy ny fifampitifirana teo amin’ny roa tonta. Tsy nisy tratra aloha, na dia izany aza, efa mandeha ny fikarohana isan-karazany any an-toerana, raha ny loharanom-baovao hatrany. Manentana ny olona hatrany ireo mpitandro filaminana hiantso avy hatrany, raha misy olona mampiahiahy mihaodihaody any amin’ireo faritra mafana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser