- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohidrapeto : Vaviantitra maty, may kila tao an-tranony

Ambohidrapeto : Vaviantitra maty, may kila tao an-tranony

Nisehoana fahamaizana trano nahafatesana olona iray indray tetsy Ambohidrapeto omaly vao maraim-be. Vehivavy lehibe, tokony ho 80 taona any ho any no namoy ny ainy, may kila tao an-tranony, tetsy Antoetra, ao amin’ny fokontany Antanetibe. Tokony ho tamin’ny telo ora maraina tany ho any no niseho ny loza, raha nahatazana setroka nijolofotra niainga tao amin’ity trano iray ity ireo mponina, ary vetivety dia nihanaka ny afo. Afon-dabozia tsy maty tao an-trano no voalaza hatreto fa mety ho nahatonga ny loza. Raha ny fampitam-baovao azo mantsy dia mipetra-drery ity ramatoabe ity ary mbola manana aretina mitaiza ihany koa. Noheverina araka izany fa mety ho nihetsika io aretiny, izay tsy mampahatsiaro tena azy, tamin’ny fotoana nahatonga ilay loza. Mazava ho azy fa amin’izay izy mipetra-drery izay, dia tsy nisy afaka namonjy izy ary dia izao niafara tamin’ny famoizana ny ainy izao.

Nandindona. Raha ny fampitam-baovao azo hatrany dia toa hoe nandindona an’ity vehivavy lehibe ity ny zavatra nanjo azy. Ny alin’io nahafaty azy io mantsy, raha ny vaovao hatrany, izany hoe ny alahady hariva lasa teo, dia nampaniraka olona hividy labozia izy fa lany ny tao an-tranony. Taorian’izay dia niara-nivavaka tamin’ireo fianakaviany alohan’ny handehan’ireo farany namonjy ny tokantranony avy. Zavatra tsy dia fanaony firy, ary heverina fa toa efa nandindona an’ilay vehivavy lehibe ihany, hoy ny fanazavàna azo. Ary dia io vavaka io tokoa no niarahan’izy ireo farany dia izao nitranga izao ny loza. Tonga teny an-toerana, niezaka nifehy ny afo moa ireo mpamonjy voina, izay tsy maty tanteraka raha tsy ora maromaro taty aoriana. Tonga teny ihany koa ny teo anivon’ny zandary, nijery ifotony sy nanadihady ny zava-nisy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici