- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversAmbohidratrimo : Baomba tsy lavorary nampisavorovora

Ambohidratrimo : Baomba tsy lavorary nampisavorovora

Teny Ambatolampy Tsimahafotsy, ny alatsinainy maraina, no niantso ny zandarimaria teny an-toerana ny Ben’ny tanàna fa nisy olona nahita fonosan-javatra mampiahiahy  tao anatin’ny trano iray fivarotana  anana, izay tsy misy varavarana. Nisahotaka ny iray tanàna mandra-pahatonga ny manam-pahaizana manokana amin’izany. Vao tonga ireto farany dia natao ifotony ny fizahana, tsy nety nipoaka anefa ilay izy ary teo vao notomorina akaiky ilay fonosana nijerena marina izay tao antiny, rehefa novahana ary ilay izy dia hita tao ny transfo radio roa, transistor iray, batterie 9v iray ary finday tsy misy marka sy batterie, izay anisan’ireo fitaovana ilaina amin’ny fanamboarana baomba vita tanàna. Marihina fa tsy feno ny fepetra amin’ny hipoahan’ity  fonosan-javatra ity ary dia efa mila ho isan’andro izao ny fahitana azy itony, izay apetrak’ireo mpampihorohoro eny anelakelan-trano rehetra eny. Somary niavaka kely amin’ny mahazatra indray ity, satria dia nataony tsy feno  ireo fitaovana madinika mahatonga ny fipoahana. Araka ny fanadihadiana teny an-toerana moa dia ny “charge” no tsy feno tamin’ilay izy, ary mbola manamafy ny eo amin’ny mpitandro ny filaminana fa tokony ho mailo hatrany ny vahoaka eo am-pahitana fonosana na zavatra mampiahiahy fa tsy hangatak’andro. Tena fampihorohoroana marina ary ve sa sangy ratsy?

Raha ny fahitana azy aloha dia toa olona iray ihany no manamboatra azy ity, satria toa mitovitovy daholo ny fomba nanamboarana azy ireto. Tsy hay marina anefa hoe inona no tanjona? na koa fahafinaretana ny hampisahotaka ny mpiara-belona fotsiny ihany. Efa mandeha moa ny fanadihadiana amin’izao raharaha izao ka ny ampitso no hamaly izay ahiahy rehetra izany.

ALEM

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser