Horohoro tsy misy toa izany ny nahazo ireto tompon-trano tao Ambatomena, kaominina Anosiala Ambohidratrimo, ny alahady vao maraim-be, tokony ho tamin’ny 1ora maraina. Jiolahy enina no niditra am-boletra tao amin’izy ireo, nanambana basy ireo tompon-trano. Poleta sy antsy ary vatan-kazo no nentin’ireo jiolahy tamin’izany. Tsy vitan’ny hoe nitaky sy nandraoka ireo zavatra sarobidy tao an-trano anefa ireo jiolahy, fa mbola nidaroka ny tompon-trano ihany. Renim-pianakaviana iray no naratra vokatr’izany daroka nahazo azy izany. Lasan’ireo olon-dratsy avokoa ny entana nisy vidiny rehetra, niampy firavaka volamena maromaro sy vola iray hetsy ariary. Vantany vao nahavita ny asany ireo jiolahy dia nitsoaka, nahafahan’ireo voatafika niantso avy hatrany ny mpitandro ny filaminana. Tonga teny an-toerana fotoana fohy monja ireto farany, ka avy hatrany dia nanao savahao ny toerana. Tamin’izany no nahatratrarana lehilahy roa, izay isan’ireo nandray anjara tamin’ity fanafihana ity. Ny iray, 35 taona, izay mpatory an-tsena eny Ampefiloha, ny faharoa kosa dia 25 taona, monina eny Andoharanofotsy. Niara-niaiky izy roalahy ireto fa nandray anjara tamin’ilay fanafihana. Tamin’ny fanadihadiana natao azy kosa, no nahalalana fa basy kilalao no nentin’ireto olon-dratsy ireto nanao ny fanafihana, izay lasan’ireo namany, tafaporitsaka. Efa saika tafaverina amin’ny tompony avokoa ireo fitavaona very, raha ny fanazavana azo hatrany. Nahazo ny fitsaboana sahaza azy kosa ilay ramatoa voadaroka ary efa tsy misy atahorana ny ainy. Mitohy ny fikarohana sy ny fanadihadiana.
m.L