- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohidratrimo : Dahalo nikasa hanafika, nifandona tamin’ny zandary

Ambohidratrimo : Dahalo nikasa hanafika, nifandona tamin’ny zandary

Ny tananan’Antaniditra, distrikan’Ambohidratrimo no saika lasibatry ny fanafihana dahalo nahery vaika omaly. Saingy soa ihany, efa nisy ny fampandrenesana mialoha azon’ireo zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Ambohidratrimo, izay afaka nanomana paik’ady mialoha. Voasoroka ny fanafihana saingy raikitra ny fifandonana.

Nanomboka afak’omaly dia efa niomana tamin’ny fisiana andian-dahalo mikasa hanafika tanana teny eo anivon’ny zandary. Efa niatrana am-bava basy avokoa izy ireo ary nanamafy ny fiambenana sy ny fisafoana rehetra. Omaly tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro, nisy ny fampandrenesena azon’izy ireo fa misy andian’olona maromaro mikonokonona zavatra ao anaty kirihitr’ala iray, tsy lavitry ny tananan’Antaniditra. Nidina avy hatrany tany an-toerana ireo zandary, ka indreo tokoa ny telolahy hafahafa fihetsika. Vao nahita ireto zandary tonga anefa izy ireo avy hatrany dia nitsoaka sy niezaka nitifitra. Nisy basim-borona marika « baikal » tany amin’ny iray tamin’izy ireo. Raikitra teo ny fifandonana. Raha ny fampitam-baovao azo dia maty voatifitra ilay iray nitazona basy. Teny an-dalam-pandosirana kosa no voan’ny balan’ny mpitandro filaminana ny iray, rehefa nasaina nijanona kanefa tsy nety. Ilay iray farany, naman’izy ireo moa dia tafaporitsaka tao anatin’izany. Raha ny fampahafantarana azo hatrany dia ankoatra azy roalahy maty voatifitra ireto dia nisy basim-borona iray ary bala marobe, izay natokana ho an’ny fitaovam-piadiana mahery vaika toy ny « kalach » tany amin’izy ireo. Bala 7.62 mm miisa 23 isa, raha ny vaovao azo hatrany. Tetsy andanin’izay, ny ody gasy sy zava-maranitra isan-karazany, tsy lazaina intsony.

Ny vaovao azo hatrany no nahalalàna fa dahalo mpiray tambazotra sy mpiray tsikombakomba amin’ireo andian-dahalo manao ny asa ratsiny any amin’iny distrikan’Anjozorobe iny izy ireo. Tao anatin’ny findain’ireto dahalo maty voatifitra ireto mantsy, rehefa nosavaina dia nahitàna hafatra fohy avy amin’ireo any Anjozorobe, izay miantso fanampiana amin’ireto farany ny mba hitondràny bala maromaro ho azy ireo. Efa mandeha moa ny fanadihadiana mahakasika izay sy izay tompon’ny laharana, hiarahan’ireo vondron-tobim-paritra anankiroa, Ambohidratrimo sy Imerina Central, miasa amin’ny fikarohana sy fandravàna izany tambazotran-dahalo izany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici