Olona efatra voarohirohy amina halatra sy varotra taolam-paty no fantatra fa nampidirina am-ponja vonjimaika mikasika ity raharaha ity. Tamin’ny faha- 4 desambra teo no nahafantatrana ny zavatra niseho ary nisamborana ireo olona ireo. Tranga hafa dia hafa ity indray mandeha ity. Tamin’ny volana martsa 2013, nisy lehilahy iray nanana taolan-dava 23 nomeny lehilahy hafa hitadiavana mpividy. Toa tsy nahita anefa ilay farany ka ny hany hitany fa mety dia ny nandevina ireo taona ireo tany amina tanomboly iray teny Mandrosoa Anjanamasina kaominina Anosiala Ambohidratrimo. Rehefa nandeha teny ny andro sy ny taona dia nisy ihany ny fitadiavana mpividy an’ireo taolana ireo. Farany nivoaka ny vaovao ary henon’ny mpitandro filaminana. Natonina ilay lehilahy nandevina ireo taolana ka rehefa avy natao fanadihadiana dia natorony ny toerana nandevenany izany. Izy moa no naniraka olona hitady mpandray ireo taolana. Ny faha-4 desambra nojerena teny amin’ilay tanimboly ka hita teny amina sisin’ny voly efa misy katsaka teo akaikin’ny kirihitra radriaka ireo taolana. Nofongarina ary fantatra fa natao tao anaty kitapo jiafotsy roa sosona ireo zavatra ireo. Nanomboka teo ny fisamborana. Olona efatra no tratra. Rehefa nonontaniana ilay nandevina ny taolana dia nilaza fa efa maty ilay olona nanome azy an’ireo taolana nitadiavana mpividy ireo. Niditra lalindalina kokoa ny famotorana ka fantatra fa maty nisy namono teny Talatamaty ity farany. Ny taona 2013, nisy nidaroka teny an-toerana izy io ary izany no nitarika ny fahafatesany. Tsy fantatra aloha na misy ifandraisany amin’ity raharaha taolam-paty ity ny nahafaty azy na tsia.
r.s.