- Publicité -
dimanche, juin 22, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohidratrimo : Efadahy nitondra kalach nanafika, naratra ny tompon-trano

Ambohidratrimo : Efadahy nitondra kalach nanafika, naratra ny tompon-trano

Nisehoana fanafihan-jiolahy teny amin’ny tanana atao hoe Bemandilana eny Ambatolampy Tsimahafotsy, Ambohidratrimo ny alin’ny zoma lasa teo tokony ho tany amin’ny 10 ora sy sasany tany ho any. Vokatr’izany, lasan’ireo mpandroba ny vola rehetra tao amin’ilay trano niaraka tamin’ny entana sarobidy. Ankoatra izany, naratra mafy ihany koa ny tompon’ny trano. Nirefotra ny basy tamin’io alina io. Izany, araka ny fantatra dia nampitahorana ny rehetra. Ny vaovao no nilaza fa nitondra basy mahery vaika toy ny kalach ireo olon-dratsy. Efatra ry zalahy no indray nibosesika niditra ny trano. Ny loharanom-baovao hatrany no nahalalana fa novakiany ny varavarana ary teo izy ireo no niditra. Henon’ny tao an-trano izany ary taitra ny rehetra. Efa tsy nisy azo natao intsony anefa, satria efa basy no niandry, hoy hatrany ny vaovao. Tamin’izay fotoana izay, tsy fantatra na saika hanohitra ny lehilahy iray na tsia fa avy dia voavely eo amin’ny lohany ary naratra mafy. Ny vola no notakian’ireo mpangalatra. Tsy afaka nandà ny tao an-trano fa tsy maintsy nanome izany. An-tapitrisa maromaro no very lasan’izy ireo. Toa tsy nionona tamin’izany ry zalahy fa naka entana hafa ihany koa. Rehefa azony izany, dia ireny izy ireo nandeha niala ny toerana.

Toa tsy mandingana andro mihitsy ity fandrobana miharo herisetra ity ety amin’ny faritry ny renivohitra sy ny manodidina. Saika isaky ny alina, misy hatrany ny vaovao milaza asan-jiolahy. Ankoatra izany, manao ny ataony koa ny mpanao sintomahery amin’ny tsena rehetra. Eo ihany koa ny fanendahana amin’ny toerana be dia be ary tsy mifidy ora. Efa manao izay ho afany ny mpitandro filaminana, nefa dia tsy mahafehy izany, satria toa mitombo isa hatrany ireo olon-dratsy.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser