- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohidratrimo : Fanafihan-jiolahy, olona iray maty voatifitra, iray hafa naratra mafy

Ambohidratrimo : Fanafihan-jiolahy, olona iray maty voatifitra, iray hafa naratra mafy

Maty voatifitra ny zanany, naratra mafy voan’ny bala ny vadiny. Nitondra ny mangidy indrindra ity raim-pianakaviana iray teny amin’iny faritra Ambohidratrimo iny ny faran’ny taona teo. Jiolahy efa-dahy nitondra fitaovam-piadiana sy basy no tonga nanafika tao an-tokantranony, tao Ampahimanga, ao amin’ny fokontany Alarobia, kaominina Mananjara, tokony ho tamin’ny iray ora maraina. Araka ny fampitam-baovao azo dia ny varavaran-keliny tao amin’ny efitranon-janany no noezahin’ireo olon-dratsy nosokirina. Raha vao voasikotra izany, avy hatrany dia tsy nisalasala ireto farany nanapoaka ny basy teny an-tanany, nanandrify ny lohan’ilay zanaky ny tompon-trano. Voa teo amin’ny lohany ity tanora vao erotrerony ity ary dia maty tsy tra-drano. Voatsena tamin’ny basy kosa ireo ray aman-dreniny. Naratra mafy ramatoa. Niezaka ny niaro ireto vady aman-janany nasesin’ny jiolahy notofirina ilay rangahy ka nanao izay fara-heriny tamin’ny fitoraham-bato iretsy farany. Rafitra nitsoaka ihany moa ireo olon-dratsy nony farany. Ary izay vao afaka niantso vonjy ity raim-pianakaviana ity. Efa tsy nisy azo natao intsony ny tamin’ilay zanany. Ramatoa kosa nezahina nentina tany amin’ny toeram-pitsaboana. Sotasota ankitsirano sa fanafihana ? Marihana mantsy fa nahazo n’inona n’inona tao amin’ity tokantrano ity ireto jiolahy mpamono olona ireto. Mandeha avy hatrany ny fanadihadiana sy fikarohana ataon’ny mpitandro filaminana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici