Lehilahy iray fantatra amin’ny anaram-bositra hoe Ra-l’homme, na Rahery, no voasambotry ny pôlisy misahana ny heloka bevava etsy Anosy, nampian’ireo pôlisy voaofana manokana hisetra ny asan-jiolahy mahery vaika eo anivon’ny pôlisim-pirenena: ny Uir, Sag ary ny Usi, ny herinandro lasa teo teny amin’iny faritra Ambohidratrimo iny. Araka ny fanazavana azo dia ity lehilahy ity no voalaza fa tompon’antoka tamina fanafihana mitam-piadiana nitranga ny alin’ny 30 hifoha 31 mey lasa teo teny amin’ny fokontany Antanetibe Mahazaza. Tamin’ny alalan’ny angom-baovao no nahafahana nisambotra ity jiolahy raindahiny ity, araka ny fanazavana azo, ary izany dia tafiditra ao anatin’ny Hetsika fampitsaharana ny halatra mitam-piadiana eto an-drenivohitra sy ny manodidina, izay ataon’ny eo anivon’ny pôlisim-pirenena. Fantatra moa fa natolotra teny anivon’ny zandary, izay miandraikitra ny faritra sy misahana ny fanadihadiana ity jiolahy raindahiny ity.
m.L