- Publicité -
jeudi, juillet 17, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohidratrimo : Fasana roa indray vaky, taolambalon-drazana maherin’ny 100 no very

Ambohidratrimo : Fasana roa indray vaky, taolambalon-drazana maherin’ny 100 no very

Misoko mangina tokoa ity resaka halatra taolam-paty sy vaky fasana ity eto amintsika. Fasana roa indray mantsy no nobanahan’ireo tsy mataho-tody teny amin’iny faritra Ambohidratrimo iny. Taolambalon-drazana manodidina ny 100 tany ho any no very, araka ny tatitry ny zandary nanao ny fanadihadiana teny an-toerana. Ny marainan’ny alahady lasa teo no nahatsikaritra zavatra hafahafa teo amin’ny fasan-drazany ny tompony. Rehefa nozohina akaiky dia hita fa efa mitanilanila ny varavaram-pasana, ka nampiantso avy hatrany ny fokonolona sy ny tompon’andraikitra ity farany. Tonga teny an-toerana avy hatrany ireto nantsoina narahin’ny mpitandro filaminana teny an-toerana. Ny fizahana ifotony ny zava-nisy no nahafantarana marina fa tena nisy namaky ilay fasana. Ary tsy ity farany ity irery fa mbola nisy fasana iray hafa. Voaviravira ary lasan’ireo tsy valahara avokoa ireo razana maina tao amin’ilay fasana, ary io fantatra fa mahatratra any amin’ny zato io ny isany. Raha ny fitantaran’ny iray tamin’ireo fianakaviana dia ireo razana efa taloha, izany hoe ireo efa nihoatra ny folo taona tany avokoa no nalain’ireo olon-dratsy. Ny razana taty aoriana kosa dia tsy nisy nokitihan’izy ireo, araka ny fanazavàna azo hatrany. Heverina fa mety ho ny alin’ny sabotsy teo no namakin’ireo olon-dratsy ireto fasana ireto, ary nanao izay danin’ny kibony mihitsy ireo nibata izay taolambalo zakany. Tsy maintsy ho hitan’ilay tompom-pasana izay nipetraka tsy lavitra teo mantsy raha talohan’izay. Fantatra fa efa eny am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ity raharaha ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici