- Publicité -
mardi, janvier 13, 2026
AccueilFaits-DiversAmbohidratrimo : Faty hita vao maraina

Ambohidratrimo : Faty hita vao maraina

Olona iray efa tsy nisy aina intsony no hita teny amin’ny toerana antsoina hoe Mangiaka, ao amin’ny Fokontany Ambohimpanasina, Kaominina Anosiala. Tokony ho 7 km avaratra atsinanan’ny Tobim-paritra Ambohidratrimo, ny marainan’ny sabotsy teo no nahitàn’ny mpandeha an-tongotra vao maraina azy. Araka ny fanazavan’ny zandary dia ny sefo fokontany no nampandre azy ireo taorian’ny nahitana ilay faty. Nidina avy hatrany teny an-toerana ny zandary niaraka tamin’ny mpitsabo avy ao amin’ny CSB II Anosiala sy ny sefo fokontany ary nanao fizahana ny razana sy ny toerana nahitana azy. Araka ny tatitra avy amin’ny mpitsabodia nahitana ratra sy mangana teo amin’ny tarehy sy ny fihirifany havia. Nambaran’ny mpitsabo fa vokatry ny dona mafy nahazo azy teo amin’ny fihirifany no nahafaty azy. Rehefa nohamarinina ny taratasy teny aminy dia fantatra fa Rakotondranaivo Jean Baptiste ny anarany. Izy dia 70 taona ary monina ao Fiakarana, ao amin’io Kaominina Anosiala io ihany. Araka ny fanazavan’ny fianakaviany indray dia efa fahazarany ny tsy mody an-trano rehefa misotro toaka, ka tsy nampiahiahy azy ireo intsony ny tsy fodiany tamin’io alina io. Taorian’ny fizahana rehetra, dia natolotra ny fianakaviana ny razana. Misokatra ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana, ary mitohy ny fanangonana vaovao hahafantarana ny tena nahatonga izao fahafatesana mampiahiahy izao.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici