« Mercure » sandoka, fanafihana mitam-piadina ary resaka vola sandoka. Tambajotra iray manontolo mihitsy no ravan’ny zandary ny sabotsy lasa teo teny Ambohidratrimo. Olona 11 mianadahy no voarohirohy tamin’izany.
Tato ho ato tokoa izay dia saika nandrenesana fanafihana mitam-basy iny faritra Ambohidratrimo sy ny manodidina iny. Raha mbola teo am-panomanana ny mety ho manaraka anefa ireo andian-jiolahy no saron’ny mpitandro filaminana. Raha ny fantatra dia noho ny fanomezam-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo no nahafahana nisambotra olona iray, izay voarohirohy tamina resaka « mercure » sandoka, ny sabotsy lasa teo. Ity olona farany ity no nanondro ireo namany maromaro hafa ka nahafahana nisambotra azy ireo avy hatrany, araka ny voalazan’ny zandary hatrany. Rehefa nidina ifotony ireo mpitandro filaminana ka nisava ny tranon’izy ireo dia tratra tamin’izany ny basy telo, PA ny iray, « revolver » ny roa ary bala niisa sivy. Araka ny voalazan’ireo mpanao fanadihadiana hatrany dia ny iray tamin’izy ireo ihany no vita gasy fa ny roa hafa, « revolver » sy poleta dia samy vita avy any ivelany avokoa. Fantatra tamin’ny alalan’ny fanadihadiana natao ary fa isan’ireo jiolahy nandravarava teny an-toerana ireto voasambotra ireto. Nisy tamin’izy ireo ihany koa no mpivarotra basy. Araka ny fanampim-panazavana azo avy amina tompon’andraikitra ambony iray, eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena, dia voalaza fa manamboninahitra lietnà sy kapôraly eo anivon’ny Tafika Malagasy no nahazoana ireo fitaovam-piadiana ireo. Efa nisy araka izany ny fanadihadiana mandeha, raha ny loharanom-baovao hatrany.
Tao anatin’izay fisavàna trano izay ihany koa no mbola nahitana karazan-taratasy maromaro efa voatapatapataka mitovy habe amina vola taratasy. Hita tao amina tokantranona mpivady iray teny an-toerana ary nahavoarohirohy olona telo. Raha ny fitambarany dia olona 11 no natolotra ny Fampanoavana omaly, ka ny iray tamin’izy ireo dia vehivavy. Samy nampidirina am-ponja vonjimaika avokoa izy rehetra ireo miandry ny fotoam-pitsaràna azy. Nanamarika ireto mpitandro filaminana ireto fa tafiditra ao anatin’ny fenitra vaovaon’ny zandary izao vokatra izao, ny amin’ny fisorohana ny fanafihan-jiolahy ary ny fiarovana. Nanentana ny olom-pirenena izy ireo mba tsy hisalasalàn’izay mety manam-baovao mahakasika trangan-javatra na olona mampiahiahy, hanatona azy ireo mivantana.
m.L