Olona roa no fantatra fa nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny borigadin’ny zandarimaria Ambohidratrimo, tamin’ity herinandro ity. Fantatra, araka ny vaovao nampitain’izy ireo fa voarohirohy amina halatra « compteur » sy taribin’ny Jiramana izy ireo. Ny tena loza tamin’ny zavatra nataon’izy ireo anefa, nisandoka ho mpiasan’ny Jiraman ry zalahy. Tsy vitan’ny mangalatra ihany, fa afaka mametaka « compteur » any an-tranon’olona izy ireo. Araka izany, voalaza fa tsy maintsy misy ny firaisana tsikombakomba amin’ny tena mpisa amin’io orinasa voalaza etsy ambony io vao afaka manatanteraka ny asa ratsy fanaony ry zalahy ireo. Porofon’izany, tamin’ny taona 2015, nisy fianakaviana iray nangataka hampiditra jiro. Vita soa aman-tsara ny antotan-taratasy rehetra. Niandry ry zareo. Tamin’ity taona ity, nisy olona tonga tao aminy nilaza fa hapetraka ny « compteur ». Raikitra izany ary tsy nisy nanohintohina, hoy hatrany ny vaovao voaray. Dia nahazo jiro soa aman-tsara ireto fianakaviana. Efa ho telo volana anefa, tsy nisy mihitsy ny mpiasan’ny Jirama tonga naka ny tarehimarika laniny. Lasa fisainana izy ireo. Farany, tsy naharitra nandeha nanatona ny biraon’ny Jirama teny Ambohidratrimo nitatitra fa tsy nisy mihitsy mpiasa tonga naka ny lany tao anatin’izay fotoana izay. Rehefa nojerana ny tao amin’ny birao, nilaza tsy nihambahamba ny mpiasa fa tsy mbola manana jiro ireto fianakaviana ireto ary tokony hiandry. Gaga fotsiny ireto olona. Nampitandrina azy ny Jirama fa tsy maintsy ho voarohirohy amin’ity raharaha ity ry zareo ka tokony hametraka fitarainana any amin’ny mpitandro filaminana. Nanomboka teo ny fanadihadiana ary dia sarona ny halatra rehetra vita. Avy amin’ny filazan’ireo voafitaka hatrany no nahafantarana ireo mpisandoka, na ny marina kokoa ireo roalahy manao ho asa fivelomanana fametrahana « compteur » halatra. Rehefa nofotorana izy ireo, hoy hatrany ny vaovao, dia nibaradaka fa tsy vao izao no nanao izao zavatra izao. Mahoraka amin’iny faritra Ambohidatrimo iny ny halatra « compteur » sy taribin’ny Jirama, tato ho ato, hoy ny mpitandro filaminana. Ankoatra izany, toa efa misy ihany koa ny nahazo « compteur » tsy fantatra hoe avy aiza. Misy fanadihadiana misokatra amin’izao fotoana izao.
Omaly no natolotra ny Fampanoavana ireto roalahy ireto.
r.s.



