- Publicité SW45 -
vendredi, décembre 27, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohidratrimo : Jiolahy efatra tratra niaraka tamin’ny basy sy bala marobe

Ambohidratrimo : Jiolahy efatra tratra niaraka tamin’ny basy sy bala marobe

Isan’ireo jiolahy nanafika ilay tokantrano teny Andakana, ka nahafatesana olona iray ireto voasambotra ireto.

Jiolahy efatra,izay efa nokarohan’ny mpitandro filaminana ary malaza amin’ny fanaovana fanafihana mitam-piadiana no voasambotry ny mpitandro filaminana, niaraka tamin’ny basy sy bala ary ody gasy marobe. Nisy olona tsara sitrapo nanome vaovao ny zandary fa eny amin’ny manodidina eny ihany ireo jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana, izay mampijaly ny vahoaka eny an-toerana, ka nanomboka ny fikarohana azy ireo. Nanao fisafoana ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny EMMO-SECURITE ka nifanena tamina telolahy mampiahiahy. Avy hatrany dia nosamborina izy ireo,saingy nandositra avy hatrany raha vao nahita ireo miaramila. Nifanenjehana ka tafatsoaka ny roalahy fa ny iray kosa tratra. Avy tamin’io jiolahy iray tratra io no nanaovana vela-pandrika ka nahasamborana ireo roalahy hafa. Rehefa nosavaina dia nahitana basy poleta iray misy laharana, basy poleta vita gasy ary basilava sy bala 50 tany amin’izy ireo. Mbola nisy naman’izy ireo iray ihany koa nosamborina ka nahatratrarana ody gasy marobe.

Rehefa natao ny fanadihadiana dia fantatra fa isan’ireo jiolahy nanafika tao Ambohitsiroa ireto andian-jiolahy ireto. Mbola izy ireo ihany koa, niaraka tamin’ny namany maromaro no tompon’antoka tamin’ny fanafihana tao Andakana. Fanafihana izay namoizana ain’olona iray sy naharatrana olona efatra, ary nahaverezana vola sy kojakojan-tokantrano lafovidy maromaro. Omaly  no natolotra ny Fampanoavana ireto jiolahy ireto ka naiditra am-ponja vonjimaika, mandra-piandry ny fotoana hitsarana azy. Fantatra ihany koa fa mbola nisy naman’izy ireo iray hafa ihany koa voasambotry ny zandary tany Ambatomanoina, saingy mbola tazonina atao fanadihadiana any an-toerana ilay io amin’izao fotoana izao.

Isan’ny nampitondra faisana iny faritr’Ambohidratrimo iny ireto andian-jiolahy ireto. Mbola maro anefa ireo naman’izy ireo mirihariha amin’izao fotoana izao ka karohan’ny mpitandro filaminana. Efa nisy ny “opération” natao hamongorana ny asan-jiolahy amin’iny distrika iny, izay efa nahitam-bokany tsara.

A.R.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser