- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohidratrimo : Jiolahy saika hanafika biraon’ny zandary, maty voatifitra

Ambohidratrimo : Jiolahy saika hanafika biraon’ny zandary, maty voatifitra

Leon’ny miaina tokoa va re ? Jiolahy roa, fantatra amin’ny petak’anarana hoe Bera sy Dube no maty voatifitra, nandritry ny fikasàn’izy ireo handeha hanafika ny zana-tobim-paritry ny zandary tao Avaratsena Sahalemaka, ny alin’ny alakamisy hifoha zoma teo.

Efa elaela ihany no nahafantarana fa misy andian’olon-dratsy mikononkonona fanafihana sy fakàna an-keriny tany amin’iny distrikan’Ambohidratrimo iny. Rehefa nisy ny fanangonam-baovao nataon’ny teo anivon’ny vondron-tobim-paritry ny zandary tany an-toerana dia fantatra fa mety hiroso amin’izany asa ratsiny izany izy ireo ny alin’ny alakamisy lasa teo, ary ny biraon’ny zandary tao Sahalameka no saika lasibatra, nialoha ny nakan’izy ireo olona hatao takalon’aina. Namafisina avy hatrany ny fiambenan’ny toby. Manodidina izany birao izany rahateo efa nametrahana zandary manao fanamiana sivily, manara-maso ny fihetsik’ireo olona tsirairay manan-draharaha tao.

Tokony ho tamin’ny 11 ora alina tany ho any, andian-jiolahy maromaro no tamy nanatona ity biraon’ny zandary ity. Nahatsikaritra avy hatrany ireo mpitandro filaminana niambina izany toerana izany moa izy ireo ka avy hatrany dia nitifitra. Voatery namaly izany ihany koa ireo mpiambina ary raikitra ny fifandonana. Noho ny fahaiza-manaon’ireo zandary dia tsy nahavita hatramin’ny farany ny zavatra nokasain’izy ireo notanterahana ireto olon-dratsy. Fantatra mantsy fa nisy roa tamin’ireo andian-jiolahy no lavon’ny balan’ireto farany, ary nanao tari-dositra nitsoaka taorian’izay ireo namany hafa.

Marihana fa tavela teo amin’ny toerana nisian’ny fifanandrinana ny basy vita gasy miisa roa, niaraka tamin’ny taim-bala maromaro. Ireto olon-dratsy namoy ny ainy moa taorian’ny fitsirihana natao dia fantatra efa jiolahy rain-dahiny, tompon’antoka tamina fanafihana mitam-piadiana sy fakàna an-keriny maromaro, nisy tao amin’ny kaominina Avaratsena sy ny tany amin’iny distrikan’Anjozorobe sy Ankazobe iny. Ary tsy vitan’izy fa efa nokarohin’ireo mpitandro filaminana fatratra. Mbola mitohy moa any an-toerana ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo naman’izy ireo tafatsoaka, tao anatin’ity fikasàna hanafika tobin’ny zandary ity.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici