- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohidratrimo : Kidnapping, votsotra ilay karàna, kalaky iray sy bala 28 tratra

Ambohidratrimo : Kidnapping, votsotra ilay karàna, kalaky iray sy bala 28 tratra

Votsotra tamin’ny alarobia faha-30 jona teo ny karana iray antsoina hoe Rafik Fidahoussen izay nisy naka an-keriny teny amin’ny faritr’Ivandry ny harivan’ny faha-21 jona. Voalaza fa nirongo basy ireo olona naka azy. Sivy andro taty aoriana, nahazo voavao ny polisy avy ao amin’ny BC 4 fa misy Karàna tazonin’olona eny amin’ny tanàna atao hoe  Soamanety Ambohidratrimo. Nidina teny an-toerana ireo mpitandro filaminana ary nanamboatra ny paik’ady rehetra. Voalaza fa nahita lehilahy iray nijorojoro ivelan’ilay trano voatondro ry zareo. Avy hatrany dia nosamborina io ary nentina niditra tao ami’ilay trano. Hita tao amina efitra iray ilay Karàna. Natao ny fisavana ka tamin’izany no nahitana basy kalaky iray efa bory vava miaraka amin’ny « boîte chargeur » feno bala 28. Nisy basy PA iray koa tratra tao. Rehefa nohadihadiana ilay lehilahy no nanonona ny namany. Mitohy ny fikarohana ataon’ny polisy.

Nangonin’i r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici