Mandady hatrany ny trambo. Very, lasan’ny sasany ihany koa ny lakolosin’ny fiangonana Fjkm Soamanjaka, Ampangabe, any amin’iny distrikan’Ambohidratrimo iny ny talata alina lasa teo. Handeha hampaneno lakolosy vao maraina ny tompon’andraikitra no nahatsikaritra ny tsy fisian’izany teny ambony tilikambo intsony. Nampandrenesina avy hatrany ny zandary, ka tsy nisalasala nidina teny an-toerana ary nanao ny fanadihadiana. Fantatra tamin’izany fa tohatra no nampiasain’ireo olon-dratsy nangalàna ilay lakolosim-piangonana. Voatery nampiasa alika mpitsongo dia ireo zandary mba ahafantarana ny marina. Nijanona teo amina trano iray tsy lavitry ny fiangonana ny alika. Tsy nisy afa-tsy olona iray no tao amin’io trano io ka avy hatrany dia nosamborin’ny zandary sy nentina nanaovana fanafihadiana. Tsy hita tao an-toerana kosa moa ilay lakolosy, raha ny vaovao hatrany. Na izany na tsy izany dia mbola mitohy ny fikarohana ataon’ireo mpitandro filaminana.
m.L