- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohidratrimo : Lasan’ny mpisandoka ny fiaran’ny mopera 

Ambohidratrimo : Lasan’ny mpisandoka ny fiaran’ny mopera 

Simba teo amoron-dàlana ny fiaran’ilay pretra rehefa niakatra ny hafanan’ny motera. Izy anefa maika hampanao lamesa any am-piangonana. Teo indrindra no nipoitra ireo olon-dratsy izay naka endrika mpanavotra. Nolazain’ireo fa mpanamboatra fiara mihitsy ny asany ary afaka manavotra izy ireo. Tratran’ny resaka tsara lahatra dia roboka tao anaty fandrika ilay mpitari-piangonana. Napetrany tamin’ireo olona ny fanalahidin’ny fiarakodia noho ny hamehana hamonjy ny fotoam-pivavahana. Vita ny lamesa, tsy teo an-toerana intsony ny fiara. Teo vao nikoropaka ary nampandre ny zandarimaria miadidy iny fari-piadidiana iny.  Tsy ela dia nandeha ny fizaram-baovao anatiny teo anivon’ireo mpitandro ny filaminana. Rehefa nokarohina dia hita teny amin’ny toeran-kafa ny fiara. Saingy efa nisy fitaovana vitsivitsy nesorin’ireo tsy mataho-tody. Isan’izany ny “autoradio” sy ny “batterie”. Natao ny fanamarinana teny amin’ny zandary ary voaporofo fa ny fiaran’ny mopera tokoa ilay hita. Hafaliana ny an’ilay mpitari-piangonana no sady nisaotsaotra ny zandary rehefa tafaverina soa aman-tsara ny fiara Kangoo izay fampiasany. Tsy kely làlana ny ratsy ary tsy hita eny amin’ny tarehy ny tandroka. Very tanteraka ny fifampitokisana eo amin’ny samy mpiara-belona noho ny fahantràna sy ny filentehan’ny fanabeazana ary mitady ho lasa kolontsaina ankehitriny ny halatra.

D.R   

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici