Mba fempero ihany e ! Lehilahy iray no voatery nosamborin’ny zandary teny Ambohidratrimo, ny alin’ny talata lasa teo, rehefa tsy nety nosavaina ny fiara nentiny. Tsy vitan’izay fa mbola mamo teo am-pamiliana ity farany ary niafara tamin’ny fanompana ilay zandary nanao ny fisavana. Araka ny fampitam-baovao azo, dia nandeha mafy dia mafy ny fiara « Toyota » iray. Tsy vitan’izay anefa, fa mbola nikivilavila be ihany ny fandehany. Voatery nanakana ity farany araka izany ireo zandary. Tsy tafajanona teo amin’ny sakana anefa io fiara io raha tsy efa lavidavitra. Tamin’ny fisavana natao, dia hita fa efa mamo ny mpamilin’ilay fiara. Raha saika hanao ny « test d’alcoolemie » tamin’ity lehilahy ity anefa ireo mpitandro filaminana, dia ompa varivaraka no azon’izy ireo. Voatery niroso tamin’ny fisamborana araka izany ireto farany, ary nitondra ilay mpamily nankany amin’ny biraon’ny zandary, hanao fanadihadiana. Nifanesisesy indray tato ho ato ny lozam-pifamoivoizana, indrindra fa amin’ireny lalam-pirenena ireny. Antony iray mahatonga izany io fitondrana fiara nefa mamo io. Tsy misomonga tokoa araka izany ireo mpitandro filaminana. Sady loza ho an’ny tenany tokoa ireny olona ireny no loza ho an’ny hafa mantsy. Ny an’ity rangahy ity, dia mbola miampy faniratsirana mpitandro filaminana, eo am-panaovana ny asany.
m.L