- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohidratrimo : lozam-pifamoivozana nahafaty zazalahikely 8 taona

Ambohidratrimo : lozam-pifamoivozana nahafaty zazalahikely 8 taona

Ny alatsinainy 03 febroary tokony ho tamin’ ny 4 ora sy sasany  hariva teo ity zazalahikely no nanakana ity zotra FIFIABE, mampitohy an’ Antananarivo renivohitra sy Ambohidratrimo .

Nalalaka moa ny toerana teo aloha akaikin’ ny mpamily koa dia teo no nipetraka ilaikely, izay fantatra amin’ ny anarana hoe Dimby. Vao nandeha kely niala ilay fiantsonana antsoina hoe Lycée anefa dia nivoha tampoka ny varavaran’ ilay fiara mpitatitra olona .

Avy hatrany dia nianjera tety ivelany ity ankizy ka nahazo ny sisin-dalana  no sady nikarapoka avy hatrany. Nandray andraikitra avy hatrany ny manodidina ka tonga dia nitondra ilay maratra teny amin’ ny CSBII teo Ambavarano, toeram-pitsaboana akaikin’ ilay nisehoan’ ny loza.

Noho  ny tsy fahampian’ ny fitaovana sy ny mety mahasarotra ny ratra anefa dia nafindra notsaboina sy narahi-maso teny amin’ ny hopitaly HJRA tetsy  Ampefiloha.   Rehefa natao moa ny ala nenina dia tsy tana ny ain’ ilay ankizy. Ny tsy fahamalinana matetika no mahatonga ny toe-javatra tahaka  izao , tokony   ho raha vao mahita ankizy miakatra eo anoloana mantsy ny saofera dia mitandrina sy manara-maso ny hidim-baravarana. Amin’ ny maha zaza  ny mpandeha dia andraikitry ny mpitatitra no misahana ny fitandroana ny ain’ izy ireo.

ALEM

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser