- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohidratrimo : Masera voatafika sy voadaroka

Ambohidratrimo : Masera voatafika sy voadaroka

Fitaizana zaza kamboty an-dry masera eny Mangarivotra, Ambohipanasina Ambohidratrimo no notafihan’ny jiolahy, ny alarobia hifoha alakamisy lasa teo. Araka ny fampitam-baovao avy tamin’ny zandary dia andiana tovolahy am-polony teo no niditra an-keriny tao amin’io trano fitaizana io. Vokany, rehefa tsy nahazo izay notadiaviny ireto olon-dratsy ireto dia ny masera tompon’andraikitra tao indray no nampiharan’izy ireo herisetra. Naratra vokatr’izany vono nahazo azy izany ity relijiozy ity ka voatery nalefa haingana namonjy toeram-pitsaboana. Tokony ho teo amin’ny misasak’alina teo no tonga ry zalahy ireto, araka ny fampitam-baovao azo. Vaky nandositra avy hatrany ny mpiambina ity akany fanabeazana ity, raha vao nahita ireto andian-jiolahy avy any. Niditra avy amin’ny trano fiangonan’ilay akany izy ireo ary avy hatrany dia nivantana tany amin’ny trano nisy an-dry masera. Noteren’ireto olon-dratsy hamoaka vola ny masera, saingy nandà izany, ary nilaza fa tsy misy vola ao amin’izy ireo. Tezitra tamin’izany valin-teny izany angamba ry zalahy ka avy hatrany dia nikasi-tanana. Rifatra nitsoaka avy eo. Tonga teny an-toerana ny zandary nanao ny fanadihadiana rehetra mahakasika ity tranga ity ary efa mandeha ny fikarohana ireto andian-jatovo, tsy valahara ireto. Tsy milamina tokoa ny tany, fa na hatramin’ireo relijiozy sy mpikarakara ireo sahirana, lasibatry ny jiolahy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici