Lehilahy iray mpamaky vato no fantatra, fa maty nipoahan’ny vanja teny amin’ny Andavadompy Ambohipanasina, kaominina Anosiala disitrikan’Ambohidratrimo, ny alatsinainy teo. Ny loharanom-baovao no nahafantarana, fa tamin’ny asabotsy faran’ny herinandro, niasa teo amin’ilay toerana izy sy ireo namany hanapoaka vato. Tsy nipoaka anefa ireo vanja natao teo ary niala aloha ry zareo. Ny alatsinainy vao niverina niasa ary lasa naka sy nisokitra ireo vanja noheverina fa maty afo. Tsy fantatra anefa izay niseho na nisy pitikafo vokatry ny fifampikasokasohana tamin’ny fisokirana natao, fa tonga dia nipoaka ilay vanja efa napetraka. Niantefa teny amin’ny tavan’ilay olona izany ary voalaza fa potika mihitsy ila tarehiny. Voa mafy tokoa ny faritry ny lohany. Ny vaovao hatrany no nilaza fa potsika hatramin’ny masony havia ary tsy teo amin’ny toerana intsony ilay izy. Raha vao niseho ny loza, dia natao izay hamonjena ity lehilahy ity. Nifanome tànana ny rehetra nitondra azy teny amin’ny HJRA. Na dia natao aza ny vonjy aina rehetra dia tsy tàna ihany ny ainy. Mila fitandremana tokoa ny asa sahala amin’itony, satria dia pitikafo kely fotsiny dia mety hampididoza.
r.s.