Tsy tonga hangalatra ireo olon-dratsy fa ny hamono mihitsy, hoy ny vaovao voaray.
Lehilahy lehibe iray 62 taona, mpampianatra efa misotro ronono, no fantatra fa nisy namono ary nariana tao anaty lavaka mirefy 15 m tsy lavitra ny tranony. Rehefa izany dia nototofana tany. Tamin’ny alakamisy teo no niseho ity vonoan’olona ity. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa tsy tena mbola vita ilay trano ary ilay lehilahy lehibe niaraka tamin’ny mpiambina no tao. Tonga nanafika ny jiolahy efa mihoatra ny folo, raha ny filazan’ilay mpiambina. Raha ny fahitana ny fandehan-javatra dia tsy tonga hangalatra ireo olon-dratsy ireo fa ny hamono fotsiny. Ilay mpiambina, izay naratra, no nandeha nampilaza ny fokonolona. Ny tompon’andrikitra tao indray no nampandre ny zandary eny an-toerana. Tao anaty trano no nojerena voalohany. Feno rà ny toerana maro ary nahita biriky nihoson-drà ihany koa. Tsy hita anefa izay nisy ilay rangahy. Rehefa nojerena ilay lavaka teo ivelany dia voamarika fa toa naverina indray ireo tany avy nalaina tao. Noloarana ireo tany ka tao no nahitana ny fatin’ilay lehilahy. Nahatratra hatrany amin’ny 1,5m ny hahavon’izany tany nalana izany. Misy ratra marobe ny lohany, ohatra ny notsindromina zava maranitra sy novelesina tamin’ny birika. Ilay lavaka mirefy 15m ity dia saika hatao lavadrano, saika tsy nahazo fa misy vato tao ambany.
Nikorontana ny tao an-trano rehetra, ohatra ny nisy zavatra nokarohan’ireo olon-dratsy. Hatramin’izao aloha tsy fantatra na nisy zavatra very na tsia. Nandeha avy hatrany ny fanadihadiana ataon’ny zandary. Fantatra toarian’izany fa efa misy olona iray ahiana ho isan’ireo nanafika, nosamborina sy hadihadiana.
r.s.