- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohidratrimo : Mpanao « rallye » nanao « reconnaissance », maty niharan-doza

Ambohidratrimo : Mpanao « rallye » nanao « reconnaissance », maty niharan-doza

Nitrangan’ny lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tetsy Miadana, Ambohimanjaka, distrikan’ Ambohidratrimo ny sabotsy lasa teo. Namoy ny ainy tao  anatin’izany ny mpanamory fiarakodia iray fantatra amin’ny anarana hoe Kael, mpiara-dalàna amin’i Titi Rahamefy, araka ny fanambarana nataon’ny klioba nisy azy avy ao Asatana. Marihina fa tao anatin’ny andrana sy  ny fizahana lalàna, ho an’ny fifaninana izay atao eny an-toerana izy, no izao niharan-doza izao, raha ny angom-baovao azo hatrany. Tamin’io fotoana io, araka ny filazan’ireo nanatri-maso dia teo am-pandehana mafy amin’ny fiolanana no tsy voatana intsony ny fiara « Renault » nentiny. Nivadibadika imbetsaka ihany ity fiara kely ity vao nijanona ary potika tanteraka. Nambaran’ireo nanatri-maso sasany aza fa toa voatery nosokirina tao anatin’izany mihitsy ny mpamily ilay fiara, efa tsy nisy aina intsony. Efa tonga teny an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy moa ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy, niaraka tamin’ny mpitandro filaminana. Tsiahivina fa fanindroany tamin’ity izay no nisy mpanamory namoy ny ainy nandritry izany “reconnaissance” lalana ho amin’ny fifaninanana hazakazaka fiarakodia na môtô izany. Niara-nahatadidy ny rehetra tamin’ilay lozam-pifamoivoizana nahatsiravina ihany koa nitranga tetsy Imerinkasinina, ary mpanamory môtô iray ihany koa no anisan’ny namoy ny ainy tao anatin’izany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici