
Sarona rehefa narahahi-maso ny roalahy mpivarotra rongony amin’ny mpianatra eny amin’ny manodidina an’Ambohidratrimo. Teny Mandrosoa izy ireo no voasambotry ny zandary ary mbola teo am-panaovana ny varotra. “Rehefa natao ny fisavana ny trano dia rongony 3,2 kg ary efa vonona ny hamidy no sarona” raha araka ny fanazavan’ny zandary izay misahana ny raharaha. Tsy afa-niala intsony ireo mpivarotra zava-mahadomelina ary niaiky nanoloana ireo porofo mitohoka amin’ny tenda.
D.R